Edito

Tsy afa-miala amin-dRamose !


  • Zoma 10 Desambra 2010


Roa taona lasa izay no nanomboka tena nahazo hery ary notohanan’ireo mpanao politika rehetra tsy nahazo avara-patana na very fihinanana tamin’ny fitondran-dRamose i Andry Rajoelina. Novambra sy desambra 2008 io vanim-potoana io, ary tena hipoka mpanao politika mihitsy teny amin’ny La Rotonde Besarety sy «Villa Elisabeth» talohan’izay. Nisy mihitsy ary ireo tsy hita an-taonany no nipoitra tampoka ary hita ho miran’endrika ery fa tonga ilay bandy kely nandrasana handrodana ny jadona. 24 volana aty aorian’izany finoana sy fanantenana goavana izany anefa dia toa hiditra ao amina tonelina maizina be vaovao antsoina hoe : « Repoblika faha-4 » indray ny firenena. Lasa ilay iraika lahy teo aloha, ary efa mandondona hiverina sahady miaraka amin’ilay iraika lahy teo alohany. Ilay iraika lahy eto an-toerana anefa tsy te hahalala fa izay lasa dia any ny tranony. Mbola ao anatin’ny savorovoro tanteraka araka izany ny tontolo politika eto ary tsy mety tafapetraka ny fitoniana hivavahan-dRaharinaivo mafy. Sarotra ny ho tony raha mbola maro no any am-ponja amin’ny tsy rariny.

Re ihany koa fa mety hihaona atsy Afrika Atsimo, hono, Atoa isany Ravalomanana sy Sarkozy. Fihaonana ofisialy ve, sa fihaonana miafina ? Inona no tena ao ambadika raha tena hitranga marina izany ? Ny taona 2005 no nihaona sy niresaka mitokana farany tao amin’ny lapan’i Elysée izy mirahalahy ambaran’ny mpandinika fa mitovitovy bika sy toetra ary fomba fijery sy fomba fiasa ireto. Nanambara tamin’izany Atoa Ravalomanana fa manga ny lanitra eo amin’ny fifandraisan’i Lafrantsa sy i Madagasikara, saingy araka ny fomba fitenin’ny tanora ankehitriny hoe : samy manana ny manga aminy koa io ! Voatonontonona ho ao ambadik’izao krizy izao i Lafrantsa sy ny mpiara-miasa akaiky amin’i Nicolas Sarkozy izay mifandray matetika amin’ny filohan’ny FAT.

Tsy ampy hamahana ny krizy anefa izany, ka mety tsy maintsy hiresaka amin-dRamose ihany ny mpanjanatany fahiny satria tena mafy ilay Ramose ary tsy manaiky lembenana hatramin’ny farany. Mbola manaporofo indray izany fa tsy manana ny vahaolana rehetra i Andry Rajoelina sy ny FAT, fa any ambadimbadika any misy olona iray tsy azo ihodivirana amin’ny famahana ny krizy. Raha diso izany dia tokony ho efa tamin’ny jona 2010 no tafapetraka ny Repoblika faha-4, fa matoa nitarazoka dia ao raha ! Ho famaranana ary dia tsaroana eto ilay fehezanteny nambara fa nandrehitr’afo nambaran’i Marc Ravalomanana teny Ivato tamin’ny alahady 25 janoary 2009 nanao hoe : «tsapao tsara aloha ny herinao vao mitsapatsapa ny aty !»

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT