Tsy afa-bela!

Na tiana na tsy tiana! Tsy afa-bela! Izay no


  • Zoma 05 Janoary 2024

mamehy ny fifamatoran’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra notendreny,

izay raha raisina ho toy ny hoe nandeha araka ny tokony ho izy izany ilay fanaovan’izany filoham-pirenena izany ny tombana isaky ny 6 atao amin’ny governemanta, dia fanim-polony fara fahakeliny voatendriny ho praiminisitra izany antsoina hoe Ntsay Christian izany. Praiminisitra izay efa nitondra teo maherin’ny 5 taona satria efa sady praiminisitry ny marimaritra iraisana namarana ny fitondrana Rajaonarimampianina koa ny taona 2018. Maro no azo ambara, raha ny mikasika ny atao hoe tombana ho an’ny mpamakafaka sy mpanara-baovao saingy ny mamintina azy angamba dia tsotra. Isan’ireo firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ilay lazaina hoe firenena malagasy amin’izao ary firenena manana vahoaka noana betsaka indrindra eto ambonin’ny tany, raha ny fanadihadiana nataon’ny banky iraisampirenena moa izany izy iny. Mbola misy Pesta eto. Vao tapa-bolana lasa mahery kely angamba no nisy fampahafantarana voalohany ny tranga iray momba izany tany Ivato centre tany. Saika manerana ny nosy ny feno fako ary ny olona ao anaty fitondrana ihany moa vao omaly no nampiranty ny fiparitahan’izany tany Toliara tany. Ny eto Antananarivo, izay renivohitr’ilay firenena, efa tsy hita intsony izay azo ilazana azy fa na ny filazana izany ho maharikoriko aza angamba mbola tena faran’izay maivana! Firifiry ny zava-mamoha henatra na “scandale” nitranga tao anatin’izay fitondrana Ntsay nandritry ny 5 taona mahery izay? Fanimpiriny no efa nisian’ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny parlemanta io praiminisitra mbola miraikitra amin’ny sezany mandra-kandroany io? Na inona na inona fanazavan’ny filoham-pirenena dia heverina fa manahirana ihany angamba ny hamaritra izany voalaza rehetra izany anaty voambolana malaza hoe “fandrosoana”. Ny sehatra iraisampirenena aloha izany dia niaraha-naheno raha nilaza ny heviny fa fihemorana no hita. Fihemorana saingy… tsy afa-bela ny filoham-pirenentsika!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT