Edito

Tsy afa-bela !


  • Alatsinainy 17 Septambra 2012

Miakatra ambony indray ny maripana amin'ny fankahalana an'i Etazonia any amin'ireo firenena Arabo, taorian'ny nivoahan'ilay horonantsary "Innocence of Muslims" tamin'ny tranonkala.

 Nambara moa fa manimbazimba ny finoana silamo sy ny mpaminany Mahomet izy io ka izay no nitarika ny fahatezeran'ireo Silamo mahery fihetsika. Henjana ny fanehoana hasosorana amin'ireo Silamo mahery fihetsika sy ny Arabo ireto fa tonga dia tsy maintsy misy ny ra mandriaka. Baomba tena mipoaka ny an-dry zareo ary rehefa manafika izy dia tsy maintsy mamono mahafaty. Lasibatra voalohany ny masoivoho Amerikanina tao Benghazi-Libia ka tena maty mihitsy moa ilay ambasadaoro. Taorian'io dia nandefa sambo mpiady roa miantsona eny amin'ny fari-dranomasin'i Libia i Etazonia, nohamafisina ihany koa ny fiarovavana ny masoivoho Amerikanina any amin'ireo firenena nosokajiana ho faritra mena. Roa volana mialoha ny fifidianana filoham-pirenena Amerikanina amin'ny 6 novambra no mitranga izany rehetra izany. Tafiditra any anaty propagandy ity resaka ity ka nanakianana ny filoha Barck Obama nilazana fa malemy ny politikany eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena fa variana tamin'ny lafiny ara-tsosialy tany Etazonia loatra izy. Lehibe loatra ho an'i Amerika anefa izany hoe fiandrianam-pirenena izany sy hitazonana an'i Etazonia ho firenena matanjaka indrindra. Koa ny fisian'ireny fanafihana masoivoho tahaka ny tany Benghazi ireny, dia tahaka ny mampiseho fa malemy sy tsy mahatohitra ny fahavalony i Etazonia. Nosoavalian'ny Repoblikana iny raharaha iny ka nampisongadinana an'i Mitt Romney izay ambara fa olon'ny vanim-potoana ankehitriny ka afaka hiaro ny tombontsoan'i Etazonia sy ny fiandrianam-pirenena Amerikanina. Hatreto anefa aloha dia manatombo ny filoha am-perinasa, Barack Obama, araka ny fanadihadiana nivoaka tamin'ny faran'ny herinandro teo.

Misy koa anefa ny maminavina fa tsy ho lany intsony ity filoha Amerikanina mainty hoditra voalohany ity fa hiverina amin'ny Repoblikanina ny fitondrana. Ary raha izy no mahazo fahefana eo dia mety hiady indray i Etazonia, ka ho lasibatra voalohany amin'izany i Iran ka hihatra amin'ny filoha Hamadinejhad ny nahazo an'i Saddam Hussein tamin'ny 2003. Efa tena avo lenta ny fanaovana politika any Etazonia, ary na dia mifanaja aza ireo kandida dia tsy mifampitsitsy fitenenana mihitsy ary tena henjana ny fanakianana.

Ny tsy fitovian'ny foto-kevitra politika dia tsy mampisara-bazana velively ny Amerikanina ary tsy mba lamaody any ny hoe teraky ny faritra izao na zanaky ny faritany izaroa, fa rehefa Amerikanina dia mitovy ary samy saro-piaro amin'ny fiandrianam-pirenena. Atao amin'ny asa izany fa tsy am-bava fotsiny. Noho ny fiarovana io fiandrianam-pirenena io no nahatonga ny tanora Amerikanina an'aliny nanolotena handeha hiady tany Irak sy Afghanistan. Tsy azo adinoina fa efa avy zanatany Anglisy i Etazonia ary henjana ny ady natao vao nahaleotena ry zareo. Mbola ady hafa koa ny fanafoanana ny fanandevozana. Iaraha-mahita fa mijoro ary matanjaka i Etazonia ary hatreto aloha dia tsy mbola afa-bela aminy izao tontolo izao. Ny tsy fankatoavan'i Etazonia ny fitondrana tetezamita eto, no mampihitsoka ny fanampiana goavana rehetra avy any ivelany. Fahadisoan-kevitra ny hoe : aleo ho any ny Amerikanina rehefa tsy hanampy fa hitady any an-kafa isika. Aleo tsy miady amin'ny mpandoa-bary !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT