“Mihodinkodina letsy a ! ity tanintsika ity…”, hoy ny hiran’ny tarika Mahaleo. Lasa mankaleo mihitsy koa ny farany ny fihodinkodinan’ny toe-draharaha politika eto amintsika, hoy ny olom-pirenena sasany
Tsy hita ihany anefa ny tena marina. Mety tsy te hahita vahaolana angamba ny mpitondra satria raha vahaolana marina no katsahana dia tsy misy mihodinkodina izany fa tonga dia tanterahana ny zava-drehetra nifanekena sy nosoniavina. Mazava ny fanambaran’ny fihaonana an-tampony faha-34-n’ny Sadc tany Zimbaboe ny 17 sy 18 aogositra lasa teo fa : « tohanana amin’ny fanohizana ny fifampidinihana sy ny fanatanterahana ny fampihavanana ary ny fanarenana ny firenena i Madagasikara…entanina ny malagasy hanaiky ny tondrozotra ary hampihatra manontolo izany tondrozotra izany. Efa tanteraka ny teboka sasany tao amin’ny tondrozotra, voafidy ny filoha Hery Rajaonarimampianina, tafatsangana ny governemanta sy ny antenimieram-pirenena, saingy tsy mbola tanteraka kosa ny fampiharana ilay andininy faha-20 dia ny fampodiana tsy misy fepetra ireo sesitany politika, tafiditra ao anatin’izany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ». Tsy mila fehezanteny fanampiny intsony izany fa dia efa ampy tsara hanazavana ny fihetsiky ny sehatra iraisam-pirenena amin’izao fotoana. Tsy mahatoky ny fitondrana mijoro eto sy mailo amin’ny famoahana ny famatsiam-bola satria misy zavatra nifanekena sy efa vita sonia tsy mbola tanteraka hatramin’ny farany ny fampiharana azy. Koa na hihodin-kavia na hihodin-kavanana izao fitondram-panjakana izao dia tsy ho afa-bela amin’ny fampiharana manontolo io tondrozotra io. Tsy hivaky loha angamba ny mpitondra ka hanapaka ny fiaraha-miasa amin’ny miara-miombon’antoka mahazatra satria efa mahita famatsiam-bola hafa any ambadibadika any hiarahana amin’ireo tambajotrana Mafia tsy miraharaha ny hoe fanjakana tan-dalàna sy fanajana ny zon’olombelona sy ady amin’ny kolikoly izany, fa rehefa misy afera dia idirana. Mbola resaka hafa indray ny amin’izay !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.