Edito

Tsotsorimamba isarahana


  • Alakamisy 20 Mey 2010


Hanao hetsika goavana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana anio rehefa avy nanoman-tena sy fo amam-panahy, nanamafy ny finoany tao amin’ny FJKM Ambohimanandray Filadelfia Ambohimanarina. Miantso ny olona ho avy maraina eny amin’ny fiantsonan’ny taxibe 194 eny Mausolée ny zandarin’ny Hery vonjitaitra eny Fort Duchesne na FIGN amin’ity anio ity. Mitokona ny mpiasan’ny Minisiteran’ny varotra. Migrevy ny mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana. Mihisatra ny fampidiran-ketra eny amin’ny Kaominina maro manerana ny nosy, na eo aza ny fanentanana sesimotitra ny olona hanefa ny adidiny. Santionan’ny zavatra mitranga amin’izao fotoana izao eto amin’ny firenena avokoa ireo. Midika izany fa maneno sahona avokoa ny sehatra rehetra, manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana izay efa mihatra aman’aina mihitsy amin’izao fotoana izao. Mampiteny ny moana ny zava-mitranga. Niala tamin’ny fahanginany hatramin’ireo nambara hatrizay fa be tsy miteny, dia ny foloalindahy izany. Fambaran-javatra ratsy ireny ho an’ny mpitondra, raha tsy hoe efa tonga amin’ny tsotsorimamba isarahana. Efa nitarozaka 14 volana koa ny krizy teto. Nitondra samirery i Andry Rajoelina, tsy nahavaha olana. Nanandrana nanokatra ny governemantany izy ny septambra ary nanilika ireo akaiky azy, toa an’i Monja Roindefo, iray volana toarian’izay saingy vao mainka nikatso ny raharaha. Nanambara ny tsy hilatsaka hofidiana indray i Andry Rajoelina, nefa toa vao mainka niantso tsy fankatoavana indray izany. Mety ho izay no mahatonga ny feo mandeha ankehitriny fa dia ny fialany tanteraka eo amin’ny fitondrana no hampilamina ny firenena. Izay tokoa ve ilay hoe tsotsorimamba hisarahana ! 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT