Edito

Tsisy mafy be izany eto!


  • Talata 03 Desambra 2019

Mafampana hatrany ny toe-draharaha politika. Manao randra-tarihina ny kazarana lonilony nateraky ny fifidianana, izay maro no mahatsapa fa lasibatry ny kilalao maloto ara-politika.

 

Indraindray toa tsikaritra ihany ny fahatokisan-tena lehibe ananan’ny ekipan’ny mpitondra, toa tsy te hahalala fa manao don-tandroka hibatana ny fandresena. Tsy eto Antananarivo ihany no handrenesana lonilony, fa efa mitroatra ny any amin’ny faritra, toa ny tany Vohémar izay nidina an-dalambe, ny any Toamasina mampiaka-peo, ny any Betafo tsy manaiky lembenana,… Miha feno ny kapoaka saingy mihevitra angamba ny mpitondra fanjakana, fa atody miady amam-bato ny rehetra ivelan’ny fitondrana ka hanaovana don-tandroka lava, dia mipirina sy manaiky lembenana,…  Tsy misy mafy be izany intsony eto, ary tsy fandresena azo tamin’ny taham-pandraisana anjara 23% miampy ahiahina hosoka no afaka hiaro ny mpitondra, ka sao tokony handinika ihany? Tsy mba mahay maka lesona ve fa ny fanjakana teo alohany anie, ka nanana ben’ny tanàna 900 tany ho any saingy ireny no niafarany tany amin’ny fifidianana filoha? Raha ny fiaingana anefa sy ny asa anefa, toa mba nanao ihany, nahavita zavatra ihany,… ary mbola io hidedahan’ny fanjakana ankehitriny ny asa sasany natao. Tsy hoe tsy manao ny ankehitriny, fa indraindray toa lasan-ko vavany toa haron-tabebaka fotsiny, variana mihantsy ady sy diso mahatoky tena,… Misoko miadana anefa ny olana ara-tsosialy mety hiteraka fipoahana eto: olan’ny mpampianatra tsy mivaha, ny olan’ny jiro sy rano mbola tsy tena nahitam-bahaolana, ny vidim-piainana miha midangana, ny fifandrafiana amin’ny samy andrim-panjakana miha mafana,… Mila mandefa saina lavitra!!!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT