Tsipaky ny miala aina !

Miharihary hatrany fa miha mirefarefa ny politika sy ny fiainam-pirenena eto amintsika.


  • Alakamisy 05 Septambra 2024

Raikitra indray ny fandaniana andro sy fotoana amin’ny kisopatsopatra sy ny famoretana na koa antsojay

amin’izay heverina fa mpifanandrina atahorana, raha ny tranga omaly teto Antananarivo Renivohitra. Sanatria toa tahaka ny any amin’ny tany miady ka norakofana mpitandro ny filaminana ny tanàna, kanefa any ambanivohitra maro izay anjakan’ny tsy fandriampahalemana no ilàna azy ireny, saingy tsy afa-manoatra amin’ny fanaovana fitaovana politika. Dia mbola manam-potoana amin’izany hatrany ve eo anatrehan’izao efa filetehan’ny Firenena izao ? Sa sanatria iniana volena mihitsy ireny mba hisian’ny sakoroka politika satria efa nomen’ny vahoakan’ireo tanàn-dehibe lamosina sy nofaiziny tamin’ny latsa-bato nandritra ny fifidianana depiote ? Mandeha ny kajikajy sy ny pasoka daomy rehetra, saingy sarotra ny manarina ny tsy fahombiazana ara-politika sy ny tsy fahaiza-mitantana hatramin’izay. Efa manomboka tonga saina ny olom-pirenena, fa tsy izao no làlana raha te ho tafavoaka,… Andaniny, mety efa tsipaky ny miala aina ny an’ny mpitondra ankehitriny, ka tsy te hahalala izay kiana sy tsikera any. Hany vahaolana dia ny rapadango sy ny bizina hitsinjovana ny aoriana rahatrizay tsy eo amin’ny fitondrana !? Sanatria atodika any amin’ny don-tandroka politika samihafa mihitsy ny mason’ny rehetra mba tsy hahita fa misoko miadana ny bizina sy fangoronan-karena amin’izao taom-piasana farany izao ? Na ny fitantanana ny Firenena aza mantsy toa manomboka mampanahy ny toa endrika kiantranoantrano ny zanaka mpitondra ambony ankehitriny no toa efa lasa miketrika sy mibizina amin’ny anaran’i Madagasikara amin’ny resaka fitaterana an’habakabaka? Atao mihitsy ny tsy ahitan’ny Firenena sy ny Malagasy ny anjara masoandrony mba hiadanan’ny olom-bitsy ? Mbola ho avy ny maraina fa ny fifohazan-tsain’ny vahoaka no hamaritra azy na ho ela na ho haingana !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT