Tsipaky ny miala aina

Miha mandroso ny tolona hoenti-mamerina ny Fanjakana tan-dalàna,


  • Alakamisy 26 Oktobra 2023

famerenana ny fiandrianam-pirenena, fitakiana fifidianana madio,…

saingy minia manao bemarenina hatrany ny ankilany. Mbola miantehitra amin’ny vola sy ny basy amin’ny alalan’ny fanaovana fitaovana ny mpitandro filaminana hifandrafy amin’ny vahoaka mitolona am-pilaminana. Mbola miezaka mangeja ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny hany sisa rambondrambom-pahefana hoentina hatao fitaovana politika. Mbola mieritreritra ve fa hahomby sy handaitra izany? Hinia mikipy ve eo anatrehan’ny fiaraha-mientana hoenti-manamafy ny tolona? Tsy misy nisafidy ny ho tonga amin’izao, saingy rehefa minia bemarenina, mieritreritra ho tsy refesi-mandidy sy ho tompon’ny hery sy fahefana mandrakizay ka manohy ny setrasetra politika. Manomboka mijoro ireo sendika samihafa eo anivon’ny asam-panjakana, izay midika fa betsaka ny zavatra marary, betsaka ny fanovana mila atao,… Tsy adala ireo ka handeha hanao sorona ny tenany sy ny asany, fa tena efa tafahoatra ny zavatra tsy rariny. Tahaka izany ihany koa ny herivelona maro samihafa eto amin’ny firenena. Mbola haverina foana, fa tsy mila fahaizana siantsa politika be ny famakiana ny sary politika amin’izao fotoana izao, fa raha ny zava-misy aloha dia mihasarotra sy mihatery ny làlan’ny mpitondra teo aloha sy ny zaza navelany. Ny eto an-toerana efa maneno sahona, ny avy any ivelany manao tsindro-paingotra! Ny herin’ny vola sy ny basy sisa no tiana hampitenenina saingy raha halalinina amin’ny sary politika efa nitranga hatramin’izay dia kazaran’ny tsipaky ny miala aina ihany. Midika fa tsy maharo tena amin’ny fitiavana sy ny fanohanan’ny vahoaka intsony, tsy mitombina ilay hoe: tsy mila manao propagandy intsony fa mitanisa fotodrafitrasa dial any,… fa tena miezaka mampiteny ny herin’ny vola amin’izao fifidianana izao mba hahazoana fanohanana. Atao tahaka ny akoho ny Malagasy, ka rehefa avy noratraina tamin’ny tsy fahaiza-mitantana nampahantra ny firenena, nampiakatra ny tahan’ny mahantra, ny tsy fandriampahalemana, nampitotongana ny toekarena,… dia hotsipazana zavatra kely tsy mahavita taona mba hohambakaina indray. Izany ve no mbola hahazo fitokisan’ny vahoaka? Izany ve no mbola hotohizana 5 taona?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT