Tsipaky ny miala aina ?

Mamy sy matsiro ny seza sy fahefana


  • Zoma 03 Oktobra 2025

ka na efa halam-bahoaka izao aza mbola miezaka

manao tsipaky ny miala aina ? Tena ny Malagasy tokoa ve no tsy mahay mankasitraka sy tsy mahita ny lazain’ny mpitondra ankehitriny fa fandrosoana ka andeha handany fotoana hiaritra daroka lakrimozenina sy tifitra variraraka ? Dia asa loatra re fa na ny tenany aza laingany raha ny toetra amam-pitenin’ny ankamaroan’ny mpitondra ankehitriny miainga hatrany amin’ny farantampony. Ny zavatra lazainy fa mety sy tena mitombina anio satria izay no mifanaraka amin’ny tombotsoa politikany, dia mety zava-pady sy ohatran’ny tsy nolazainy rahampitso satria lasa manitikitika ny sezany. Nataony ny fomba maloto rehetra hanamelohana ny hafa tany aloha, toy ny famoronana ra mandriaka mba hilazana ny naongany tamin’izany ho « criminel », dia hainy tsara ny mikabary fa raha misy zavatra tsy tokony hiverina intsony amin’ny politika dia ny famonoana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana. Tsy manan-kery intsony izany izao, fa na tsy any amin’ny faritra mena aza dia rarafana ny olona, hafenina sy tsy hanaovana tatitra mazava ny maty sy naratra fa vaovao avy any ivelany no manao tatitra. Tsy dia misy vidiny sy lanjany aminy izany aina Malagasy novonoiny izany, ka izay tsy matin’ny poizina matin’ny tsy fahafahana mitsabo tena, reraky ny fahantraa, lanaky ny vidim-piainana, torovan’ny tsy fananana asa,... Ny kianja nolazainy fa kianjan’ny demokrasia izay izy no nitokana azy dia ambenany basy tsy ho azo hidirana intsony. Nolazainy fa raha misy olona 1000 midina an-dalambe hanala azy dia hiala izy, fa izao basy no ampiteneniny. Tsy lojika amin’ny teniny sy amin’ny tenany, tia mivadibadika, ka tsy dia atao mahagaga loatra raha tahaka izay ny endri-pitantanana ny Firenena. Lainga sy fampanantenana poakaty no betsaka, filalaovana saim-bahoaka no mibahan-toerana, kirendrarendra sy fanarian-dia ny vahoaka no mibahan-toerana,… Havanana amin’ny kifetifety sy sehoseho hany ka mbola mitady ny fomba rehetra hanaovana sehoseho fa manana vahoaka. Dia hifangaro hatrany ny « foule » na olona marobe be mitangorona satria nantsoina mety tamin’ny alalan’ny volana na zavatra izay efa fanaon’izy ireo sy ny hoe : «adhésion populaire » na fanohanana sy fitiavana mahitsy asehon’ny vahoaka. Izay ilay politikam-pandredrehana hany ka ny fonony hatrany aloha vao ny atiny ny azy !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT