Edito

Tsipaky ny miala aina


  • Alatsinainy 12 Septambra 2022

Hikoha-maina tokoa aza moa atao maika fa misy sery hanilihana. Miakatra ny daozin'ny vava tsy ambina ara-politika vao vory vahoaka kely.

Raha atao anefa ny kajy, 10% tamin'ny nampanantenaina no tanteraka raha be indrindra. Hatramin'ny akama mpiara-misaika fahiny no miaiky sy milaza ankehitriny fa nitombo ny tahan'ny mahantra, nitotongana ny toekarena, ka tsy afa-miala ny Fanjakana na inona na inona holazaina. Tsy arakaraka ny vava be ny vokatra, miharatsy ny sary politika, mampanahy ny ho avy,... Tsy marin-toerana ny toe-draharaha politika, mitombo ny fanehoan-kevitra mahery vaika, manangam-bovona ny Fanjakana saingy tsy hery fa tahotra. Ambony ny tsindry na ato anatiny na iraisam-pirenena. Mody mipetra ho lasibatra rehefa mafy ny ady, mamorona atsanga tsy aman'orana, mitady izay fomba hanodinana saim-bahoaka andro aman'alina,... Tonga hatramin'ny fampitenenana ny manam-basy tsy rony tsy ventiny eo. Tsy vitan'ny mampihorohoro, manao don-tandroka kanefa mbola tsy mahatoky tena, eny efa manao tsipaky ny miala aina. Miharatsy ny tsio-drivotra politika, mihasarotra ny toe-draharaha, efa manisa volana sy andro ny rehetra hitsimbadihan'ny tantara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT