Edito

Tsipaky ny miala aina


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Vita ihany iny ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena na henjakenjana aza ny dingana nolalovana. Samy miandry am-pitoniana izany isika saingy misy ny miezaka mandrangaranga sandry sy mitady hanakorontana.

 

 

 Tao anatin’izay dingana vita rehetra izay rahateo, dia tsy tako-nafenina toy ny tafika andrefan-tanàna ny fihantsiana sy ny karazana don-tandroka samihafa nataon’ny ankilany. Ratraina sy fofoina ny ain’ny mpanao mpanohana ny andaniny, ary ireny efa niaraha-naheno ireny rahateo ny tenin’ny kandida iray hoe: “isika efa zatra ady, ka na inon-kidona na inon-kitranga tsy maintsy mandresy”. Hatramin’ny omaly, dia mbola nandeha ny fivoizana fandranitana, ary nitohy tamina karazana bodongerona sy fandrangarangana hery, toy ny nataona olom-boafidy vitsivitsy teto Antananarivo. Naderadera eraky ny tanàna eraky ny tanàna ireo lehilahy besandry na “Gros bras” nentina namonoana lolo ny mpiara-belona. Ny sasany indray manohintohina ny fiarahamonina ankitsirano, ka tonga hatramin’ny fanapoahana basy rehefa tsy mahazaka resy. Tsy takona nafenina ny karazana hosoka, izay efa mba azo honina ihany ny tompon’antoka amin’ireny. Efa niaraha-nahita fa vao nanomboka ity fifidianana ity, dia efa maro ny fijoroana nataon’ny mpanao politika isan-karazany nitory iny kandida iray iny, nahanjahanjan’ny sehatra iraisam-pirenena ny fizaram-bola saingy tsy nitondra fandresena, iaraha-mahalala ny dosieny any amin’ny Fitsarana ambony,… Tsy fahatokisan-tena no betsaka, ary nandeha ny adin’ny kanosa sy ny karazana halatra samihafa. Asa lahy izay hafitsoka eo rehefa resy satria toa mizotra makany amin’izany ny zava-misy. Efa manomboka mandrovi-tsihy sy manao tsipaky ny miala aina, ka adin’ny kanosa sisa hampiasaina, saingy ny hery tsy mahaleo ny fanahy. Filaminana no andrandrain’ny rehetra kanefa toa efa manomboka ny fiezahana handoto ny sain’ny mpiray tanindrazana hanaiky lembenana amin’ny bodongerona tian-katao. Tsy hisy hanana tombotsoa amin’ny fanakorontanana eto, ary samihafa ny atao hoe: miady ho fampanjakana ny marina sy ny fambolena korontana noho ny mety ho faharesena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT