Edito

Tsipaky ny miala aina !


  • Zoma 07 Jolay 2017

Tsy misy fanantenana intsony ny fitondrana Rajaonarimampianina na dia mbola mihevitra ny hitondra ny firenana ao anatin’ny 5 taona manaraka aza. Efa naman’ny manao tsipaky ny miala aina.


 Mila voatsiary sy manangam-pahavalo sisa atao, hany ka mampiasa hery sy mety mikendry korontana sy rà mandriaka mihitsy aza angamba. Raha toa ka miseho tokoa mantsy izany, dia izy ireo no hahazo tombotsoa amin’ny korontana sy ny fanemorana ny fifidianana, izay hahafahana mifikitra hatrany amin’ny fahefana satria raha mbola hirotsaka tsy ho lany intsony, raha mandeha amin’ny mangarahara. Nofinofy sy voambolana tsy voafafa sisa izany hoe tany tan-dalàna izany eto amin’ny firenena, fa fanjakana jadona sy mpanao didiko fe lehibe, kanefa tompon-dakan’ny fanitsakitsahana lalàna. Andevozim-pahefana sy tamana homana amin’ny kolikoly maloto, ka tsemboka mialohan’ny fotoana amin’ny olona atahorana amin’ny fifidianana. Mbola tsy fotoanan’ny fampielezan-kevitra akory dia efa may volon-tratra amin’ny fahazakan’ny mety ho mpifanandrina olona. Rehefa tonga angamba ny tena fotoana mety hahavita hamono olona mihitsy!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT