Edito

Tsio-drivotra hafahafa


  • Zoma 06 Martsa 2020

Tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny toe-draharaha politika eto.

 

 

Ny eo tsy milamina dia ny eo misosoka ihany. Lany andro mamono afo ny mpitondra na koa miezaka mamorona zavatra hafa hoentina mamilivily ny saim-bahoaka. Mbola tsy milamina akory ny resaka kara-pifidianana, dia iny fa nipoitra tampoka ny resaka basy sy miaramilan’ny antenimierandoholona nesorina. Fifandrifian-javatra ve ity farany sa toe-draharaha niniana novolena? Ny mahagaga dia tsy tena sahy miatrika an’io adihevitra momba ny fifidianana io ny fanjakana. Mifandetika sy samy miaro tena ny samy andrim-panjakana na departemantam-panajakana voakasika. Miharihary ny adin’ny samy mpitondra. Inona tokoa moa no tsy hanokafana fanadihadiana haingana hivoahan’ny marina. Misoko mangina sy nahazo aina indray ny mpanohitra. Hatraiza anefa no ho fetran’ny fitakiana? Tsy vao izao rahateo ny filazana ny zavatra tsy mety. Tsy vao izao no nitenenana zavatra tsy rariny sy tsy ara-dalàna, saingy toa vitan’ny menomenona kely ihany avy eo mangina. Hafahafa ny tsio-drivotra politika na izany aza. Tsy tongatonga ho azy ireo zava-miseho, fa misy antony sy misy tanjona avokoa. Ny tena manahirana amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena anefa, dia mbola ny vahoaka Malagasy no tsy miditra lalina firy. Tsy mandray anjara amin’ny raharaham-pirenena sy ny raharaha politika. Zary kofehy manara-panjaitra ary tsy manana fotoana firy handinihana sy handalinana ny fiainam-pirenena. Mimenomenona ihany, manakiana ihany, mandoka ihany,… saingy tsy tena mijoro amin’ny heviny hoe: inona tokoa na tsara tokony hotohizana na ny hoe ratsy mila harodana na harenina? Zary olonolom-poana toa tapi-dalan-kaleha. Mety leo politika, leo balarora, leo adihevitra politika,… kanefa raha hanao ohatr’izany hatrany dia tsy hisy zava-banona eto, fa samy haka ho azy hatrany ny entina sy ny mpitondra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT