Dia tsy mety tonga saina amin’ity di-doha efa mila hanjera ny sezanareo ity ve ianareo ry Jean a ? Mbola vao fanairana ireny tany Soamahamanina omaly ireny fa ho mafy noho ireny ny hetsi-bahoaka hiseho raha mbola mitohy io kopisoroka lava ataonareo io.
Aiza ve ka trano efa niorina nandritra ny 50 taona mahery indray izao no tadiavinareo harodana mba hizestiavana amin-dry mena hoditra fa mahavita zavatra ianareo. Fivoriana andro vitsy ve r’ise no hamotehana fiainan’olona an-jatony ? Sady efa tsy miraharaha ny fiainan’ny gasikely efa mitrongy vao homana ianareo no mbola mijoro ho fahavalony amin’ny fandravana ny fananany ihany koa. Fa ny inona ny anareo itony no misaina e ? Tsy ho zakanareo ny tsinin’ny gasy amin’io fampahoriana ataonareo io. Tsy hainareo tokoa ilay fitenenana hoe ny lalana no tsy hasian-dratsy mbola hiverenana. Ho avy indray mantsy ity ny fifidianana ka ianareo andevon-tseza ireo mihitsy no mody hanambitamby ireo vahoaka ampihinananareo tangena ireo. Sa kosa ry Jean mbola manantena an’ilay hahazo vahoaka amin’ny fizarana vola sy ny mikimaky amin’ny famadibadihana voka-pifidianana ? Aza diso hevitra e !
Marco
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.