Edito

Tsingerin-taonan’ny fahafaham-baraka


  • Zoma 01 Desambra 2017

Feno herintaona katroka anio ny fikaonan-dohan’ny mpamatsy vola sy ny fanjakana Malagasy tany Paris - Frantsa. Raha tsiahivina ny tantara dia ny 01-02 desambra 2016 no nanatanterahana azy io.

Vola be mitentina 10,6 miliara dolara no nampanantenaina tamin’izany fa ho azon’ny Fitondrana Rajaonarimampianina tamin’io. Niedinedina sy nirehareha mafy ny mpitondra tamin’izany fa niverina ny fitokisan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Inona anefa no teo, fa mitsingerina ihany ity ny taona tsy hita izay niseho. Ny filoham-pirenena aza toa efa vaky vava, fa toa mila voatsiary ny mpamatsy vola (tandrefana). Hany hery dia toa nitsipa-doha ireo nolelafim-paladia, ka nitady lalan-kafa tany amin’ny Sinoa sy ny Arabo. Nandeha ny fifanarahana maizina sy tsy fanta-pototra, ary baraingo amin’ny vahoaka ny zava-drehetra. Raikitra ny kitsapatsapa sy ny fitan-droa, ka sady mitangirika any amin’ireo efa nampanantena tany aloha no mandeha ihany ny fifanarahana tamin’ireto ambara fa tsy dia mila fepetra be dia ny be volom-bava sy ny kelimaso. Tratry ny domina tapany handoa herany anefa, ka toa hararaontin’ny rehetra. Tsy atao mahagaga raha miha mahantra ny firenena satria hoentina amin’ny kisendrasendra sy kitsapatsapa, tsy misy fijery lavitra mihitsy. Tsy hay aloha na ho azo indray ny volabe nifanaovan-tsonia tato ho ato na ho toy ny teo aloha ihany! Ny fireharehana mandeha ihany, fa izay vokatra mipaka amin’ny fiainam-bahoaka tsy misy. Raha mangarahara ny fitantanana ny firenena ,tonga ho azy ny vokatra ary manohana ny vahoaka e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT