Edito

Tsindry bokotra sy faneriterena


  • Alarobia 21 Jolay 2010


“Bois de rose” ! Izay izao no malaza. Io koa angamba no bizina mandeha. Mpitondra ambony maro amin’izao no voatonontonona ao. Manahy ny tsindry bokotra sy faneriterena avy amin’ny manampahefana anefa ny mpitsara manoloana azy ity. Nanamafy izany ny sekretera jeneralin’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Razafindrakoto Andriamitovo. Efa mahoraka be mantsy, araka ny nolazainy fa misy ireo olona ambony ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao no tafiditra ao anatin’ny fanapahana sy fanondranana an-tsokosoko ny «bois de rose», ka miandry ny rehetra hoe ahoana ihany ary ny fanadihadiana sy ny fitsarana ny momba izany raharaha izany. Efa nisy ny mpitsara tratry ny fandrahoana sy faneriterena tany Toamasina, ka mpandraharaha matanjaka tany an-toerana no voalaza fa sahy nanao izany.

Mazava fa dia tsy maintsy ho avy indray ny «intervention» isan-karazany raha tena olona ao anatin’ny fitondrana na havany no voarohirohy amin’ny raharaha «bois de rose». Ho an-dRazafindrakoto Andriamitovo dia mbola marefo dia marefo, mba tsy ilazana hoe tsy misy mihitsy ny fahaleovantenan’ny fitsarana eto amintsika, ary tena matetika no miditra amin’ny raharaham-pitsarana ny mpitondra fanjakana. Hiteraka tsy fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana anefa, araka ny nambarany ihany ny fitarazohan’ny fanadihadiana sy ny fitsarana ary ny fanagadrana ireo olona ambara fa voarohirohy amin’ny raharaha «bois de rose». Hatramin’izao moa dia tsy mbola nisy mihitsy ny fampahafantaran’ny manampahefana mpanao fanadihadiana ny anaran’ireo hoe olona ambony voarohirohy amin’ny raharaha «bois de rose»  eto amintsika, ary tsy mbola nametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana ihany koa ny fanjakana, izay afaka manao tsara izany amin’ny alalan’ny ministeran’ny tontolo iainana. Ny resaka mivoaka anefa dia hoe : maro ireo olon’izao fitondrana izao na havan’izy ireo, na mpandraharaha miara-miasa amin’izy ireo no nahazo tombontsoa be tamin’ny fanondranana ny «bois de rose».

Ary na ny mponina tany Mananara Avaratra sy Maroantsetra aza dia efa nahita maso ireo olona ireo. Ho an’ny mpitsara iray tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana momba ity raharaha ity dia mazava ny teniny : «na siosion-dresaka, na tena mitombina ny fisian’ny manampahefana na olona ambony tafiditra ao anatin’ny trafikana «bois de rose», dia tokony hatao haingana fotsiny ny fanadihadiana dia ho hita eo ny tena marina, fa tsy avela mitarazoka tahaka izao. Jereo tsara ireny nitranga tany Frantsa momba ny raharahana kolikoly naha voatonontonona ny ministra Eric Woerth ireny. Na dia samy niaro azy avokoa aza ny tao amin’ny governemanta, eny hatramin’ny filoha Sarkozy, dia nataon’ny mpitsara ihany ny fanadihadiana ary mbola mitohy aza izany hatramin’izao na dia voalaza fa tsy meloka ity minisitra ity».

RTT
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT