Edito

Tsimbadika 2010


  • Alatsinainy 26 Aprily 2010


Herinandro hanamarika zavatra maro eo amin’ny tantaram-pirenena ity herinandro diavina ity. Tsy vitan’ny hoe hamarana ny volana aprily izy ity, fa tombanana hamarana ny krizy eto Madagasikara, izay efa nitarazoka nandritra ny herintaona mahery izao, raha tsara ny tantana. Raha tsy misy ny tsimbadika 2010 dia raikitra ny fihaonana atsy Afrika Atsimo, handaminana ny krizy eto Madagasikara. Nanamafy izany ny ambasadaoro afrikanina tatsimo ny faran’ny herinandro teo. Nifamahofaho be ihany anefa ny resaka manodidina azy ity. Teo amin’ny daty hanaovana azy aloha dia nisy fiovana, satria raha ny 24 aprily no voalaza tany am-piandohana dia nihemotra ho 28 aprily izany. Nisy fiovana toy izany koa teo amin’ny mpandray anjara. Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana ihany no nolazaina fa handray anjara amin’ny fihaonana, araka ny tolo-kevitry ny Frantsay. Nanao ranolava anefa ny fanambaran’ny antoko sy fikambanana ary ankolafy politika maro manda ankitsirano ny hisian’izany. Vokany, nitarina ary dia ireo ankolafy efatra tarihin’ny filohany avy, efa nandray anjara tamin’ny dinika tany Maputo sy Addis Abeba no hihaona. Raha Johannesburg ihany koa no tanàna nambara teo am-piandohana fa handray ny fihaonana dia niova ho Pretoria indray izay taty aoriana. Raha anisan’ny nangataka ny hanatanterahana ity fihaonana ity i Andry Rajoelina dia nandrahona ny tsy hihazo an’i Afrika Atsimo indray ny tenany, raha tsy mazava izay zavatra hosoniavina any, araka ny filazany. Inona no haterak’izany fiovaovana rehetra izany ? Hanova ny fandehan’ny tantara sa vao mainka hampikatso ?

Etsy an-daniny dia mirongatra toy ny anana ny fiforonan’ireo vovonana sy hetsika samihafa. Teraka ny Fiaraha-mientana ho famoahana ny firenena amin’ny krizy na «Front pour la sortie de crise» ahitana an-dry Monja Roindefo, José Rakotomavo sy ny hafa ary ivondronana antoko politika vitsivitsy avy amina firehana samihafa sy firaisa-monina sivily. Mihetsika ihany koa ny «Conseil supérieur mixte de la médiation et de l’éthique» tarihin’ny jeneraly Rakotonandrasana Noël izay milaza ombieny ombieny fa fandaniana andro ihany ny any ivelany any fa vahaolana samy Malagasy ihany no hivoahana amin’izao krizy izao. Etsy an-kilan’izany rehetra izany dia miala nenina ihany koa ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, izay mihevitra fa zava-dehibe ny fifamelan-keloka mialoha ny zava-drehetra. Mikasa ny hanao fanambarana lehibe izy ireo amin’ity anio ity. Ny foloalindahy ihany koa anefa efa nampilaza fa raha tsy mahita vahaolana dia handray andraikitra izy ireo. Valalanina ny vahoaka eo anatrehan’izany rehetra izany. Inona no hiandry azy ? Izy izay mandry andriran’antsy lava amin’ny tsy fandriampahalemana, izy izay mandry fotsy isan’andro ateraky ny tsy fisiana, izy izay mitaitain-dava toy ilay rafotsibe very laona, miandry izay higadonany satria voatampim-bava tsy afa-miteny, iharan’ny antsojay, fandrahonana, famoretana, fandrobana ary fampihorohoroana isan’andro lava.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT