Edito

Tsimbadika 2010


  • Alarobia 22 Septambra 2010


Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaham-pirenena. Toa zava-baovao tsy ampoizina izany hatrany indray koa no miseho tato ho ato.

Mipoitra tampotampoka teo ny fifidianana Ben’ny tanàna rehefa manomboka mampiaka-peo ny mpanao politika ary mandà ny vahoaka eny ifotony. Nambara tampotampoka taorian’izay koa fa nahazo fanasana ofisialy hamonjy fivoriamben’ny Firenena Mikambana any New York hanao tombana ny tanjon’ny taona arivo fahatelo i Andry Rajoelina, toy izany koa ny fanasana avy amin’ny filoha amerikana teo aloha Bill Clinton, mba hilazana angamba fa efa mandondom-baravarana azy ny fankatoavana iraisam-pirenena raha manomboka tsy matoky ka misalasala, eny misintaka tsikelikely amin’izao fitondrana FAT izao kosa ireo mpiara-dia aminy hatramin’izay. Maro no zendana amin’ity sangodim-panina sy kajikajy politika ataon’ny mpitondra FAT ity. Eto dia tsaroana tsara ny zava-nitranga herintaona lasa izay, volana septambra toy izao indrindra.
 
Rehefa niveri-maina avy any Maputo II ireo Ankolafy efatra dia nifamolaka teto an-toerana. Nilaza ny tsy ho any ivelany intsony i Andry Rajoelina fa halefany mailaka ny valin-teniny, izay nandrasana ny 4 septambra 2009, raha ilaina. Namory olona in-droa miantoana izy, nolazaina fa hakana ny hevitry ny mpomba azy : 2 septambra tao Ambohitsorohitra, ka olon-tsotra notaomina avy any amin’ny Faritra ny ankamaroany ; nitohy teny Iavoloha indray ny 3 septambra, ka mpanao politika no teny. Niandry vasoka ny Ankolafy tarihiny tao amin’ny Carlton ny Ankolafy Telo raha tokony hiara-hidinika ny fitsinjarana ny toerana ho fampiharana ny Satan’i Maputo. Tsy tana i Andry Rajoelina fa niroso tamin’ny fananganana samy irery ny governemanta, naniraka an’i Monja Roindefo, ny 8 septambra 2009. Na izany aza dia nitohy teny ny fifamolahana, dia nisy fotoana nifanekena fa tokony hihaonana indray tao amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, ny 20 septambra 2009. Tonga tao ireo lehiben’ny delegasiona isany avy amin’ny Ankolafy Telo fa tsy tonga kosa ny Ankolafy Rajoelina.
 
Taratasy fiakan-tsiny no nalefan’i Monja Roindefo. Tsy vitan’izay fa nirindrina avokoa ny varavarana tao Anosikely, ary mbola nomena baiko aza ny miaramila mpiambina mba tsy hampiditra ireto Malagasy ireto tao, izay tonga hifanantona hikaro-bahaolana hamahana ny krizy. Tamin’io dia re fa nihazo an’i New York hanatrika ny fivoriambe faha-64 ny Firenena Mikambana i Andry Rajoelina, fa hoe nahazo fanasana ofisialy. Nanao izay paika rehetra hahafahana mandray anjara fitenenana tamin’io fivoriambe io i Andry Rajoelina, saingy tsy nampoiziny ny zava-nitranga. Nitsivalana hatramin’ny farany ny firenena afrikana indrindra ny avy amin’ny vondrona SADC fa raha mandray fitenenana izy dia hivoaka ny trano fivoriana avokoa izy ireo. 24 septambra 2009, inona tokoa no nitranga ? Afa-baraka eran-tany i Madagasikara, fa dia nolazain’ny olona fa “sans qualité” no misolo tena ny vahoaka Malagasy tao amin’io fivoriambe io. Fotoana izay nandrandrain’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia taminy mafy fa hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena raha afaka nikabary tamin’io izy. Herintaona aty aoriana dia miverina indray ny resaka.
 
Nahazo fanasana ofisialy ho any New-York indray i Andry Rajoelina saingy raha ny fampitam-baovao niainga avy ao Ambohitsorohitra omaly 21 septambra dia delegasiona no halefany fa mbola raikitra amin’ny fandavorariana izay tapaka nandritra ny kanferanasa nasionaly izy. Fihetsika izay mifanohitra tanteraka amin’izay nitranga herintaona, izay tsy tana mihitsy izy fa nihazakazaka nandeha tany. Fa inona no mitranga ankehitriny ? Misy zavatra mampanahy azy angaha ka tsy hialany an-tanidrazana ? Raha sinema ity dia “Tsimbadika 2010” no lohateniny !
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT