Edito

Tsianjery maimbo sisa setriny


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Kere any Atsimo, maina ny tany manerana ny nosy, mirehitra ny ala, mijaly rano

 

 

izay rehetra aleha, miaka-bidy ny entana ilaina andavanandro,… izany no isan’ny manamarika ny fiainana andavanandron-dRamalagasy. Etsy ankilany mandeha ny fiainan’ny mpitondra, midoka tena, maneho fa miasa, nanao kifetifety hanariana dia ny vahoaka, manao fanambarana fa hanangana kianja mitafo manara-penitra any Atsimo, hanatanteraka fifidianana loholona miteraka lonilony, miezaka mametraka fahamarinan-toerana ara-politika,… Toa terena hanaiky ny Malagasy, fa izao no mety, efa miasa sy mampandroso firenena ny mpitondra. Ny resaka fahalalahana hiteny ny tsy mety, ny fanehoan-kevitra ara-demokrasia izany, aloha dia nofinofy. Fandrangarangana hery sy fanaovana vava be no miraradraraka. Tsy mahazaka tsikera ny tena tompondakan’ny fanenjehana ny mpitondra teo alohany. Raha tena mpitondra manao ny marina, miasa sy tena mijery ny tombotsoam-bahoaka, tena mahafantatra ny laharam-pahamehana,… dia tsy hatahotra kabary politikan’ny mpanohitra izany velively. Eto kosa toa efa zary lasa tsianjery maimbo sisa no mba setriny ho an’izay miteny ny tsy mety sy mba mitsikera hoe: “mpanakorontana”. Ny hita sy tsikaritra anefa, tsy manana olona afaka mitondra venti-kevitra hoenti-mamaly ny tsikeran’ny mpanohitra ny mpitondra, hany ka ny fandrangarangana hery sisa hany setriny. Asa haharitra mandra-pahoviana izany eo anatrehan’izao efa tsy fihetezana tsy roa aman-tany izao? Mbola hilaza foana ve hoe mpanenjika tozoro afara ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT