Manao andiany maro indray amin’izao fotoana izao ireo tovolahy vao herotrerony ao an-tampon-tanànan’i Faradofay taorian’ny fetim-pirenena.
mety ho ratsy fiafara ny taranaka.
Ny halatra madinidinika eny an-tsena sy eny amin’ny elakela-trano no anjakany. Matetika amin’ny fotoana ividianana entana ao an-tsena no anararaotan’izy ireo anaovana ny asa ratsiny. Tovolahikely manodidina ny 12 - 13 taona izy ireo. Mandritra ny fotoana ifanosehan’ireo mpividy entana no anararaotan’izy ireo. Vao mahatazana na mahatsikaritra olona mitondra poketra hanao bazary, efa vonombonona amin’ny hety sy ny hareza ireto tovolahy kely. Tapahiny avy hatrany ny poketra dia entiny. Efa dila lavitra ireto ratsy loha kely vao taitra ny tompony. Vehivavy renim-pianakaviana am-polony no efa lasibatra tamin’izany. Ao ny very vola sy finday ary hatramin’ny kojakoja taratasy maro. Vokatry ny fandaozan’ireo kilonga lahy ny sekoly no mahatonga azy ireo hanao fihetsika hafahafa toy izany. Eo koa ny tsy fisiana any an-tokantrano. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa misy amin’ireo ray aman-dreny no maniraka azy ireo hanao fihetsika toy izany. Mahakasika ireo entana angalarina dia nanamafy ireo tanora kely nifampiresahana fa efa misy ny olona maka na amarotan’izy ireo ny entana halatra. Tsy mahavahiny ny tomponandraikitra any an-toerana ny fisian’izany. Ilaina ny arofaninana mba tsy hitaran’ny fomba ratsy toy izany. Raha izany no hitohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.