Edito

Tsena eny Behoririka Miahiahy fatratra ny mpivarotra


  • Alarobia 02 Jolay 2014

Nanapa-kevitra ny hamindra ireo mpivarotra amoron-dalana eny amin’ny Magro Behoririka ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra....

Nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo ny fandaminana toy ny fizarana laharana ho an’ireo mpivarotra nangata-toerana sy voasoratra ara-dalàna. Nitohy tamin’ny famaritana toerana izany ny alatsinainy ary tonga nidina nanadio ny manodidina kosa ny mpiasan’ny kaominina omaly talata. Tsikaritra ho tsy mbola vonona ny hivarotra kosa ireo mpivarotra teny an-toerana. Fanontaniana marobe moa no heno nivoaka ny vavan’izy ireo toy ny hoe tena vahaolana maharitra tokoa ve ity haroson’ny kaominina ity ? Matahotra mantsy izy ireo sao dia vonjy tavanandro fotsiny. Ny sasany rahateo dia mihevitra fa toa fandrebirebena fotsiny ilay izy satria manana ny tompony io toerana natolotra hivarotan’izy ireo io. Alahelon’ireo mpivarotra koa, ohatra, ny tsy fisian’ny toerana fivoahana izay laharam-pahamehana hanajana ny fahadiovan’ny mpiara-belona. Mbola fanontanian’izy ireo ihany koa ny mikasika ny fandriampahalemana. Ireo tompon’andraikitra mitantana ny tanàna irery ihany no afaka hamaly ireo fanontaniana ilam-baliny ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT