Orinasa afakaba 32 no nikatona tamin’ny taona 2009 teto Madagasikara vokatry ny krizy. Ny 11 tamin’ireo ihany no afaka nihodina hatramin’izao saingy tsy maintsy nandoa haba tamin’ireo vokatra naondrany tany Etazonia
Nampiasa olona hatrany amin’ny 5 alina izy ireo ka amin’izao fiverenan’ny tsena «African Growth Opportunities Act» izao dia tanjona ihany koa ny hampiverina ireo very asa mitovy amin’io isa io. Raha tanteraka izany dia ho foana na farafaharatsiny hihena ireo mpivarotra amoron-dalana mameno ny tanànan’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, raha ny fijerin’ny minisiteran’ny Indostria, ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina sy ny Orinasa madinika sy salantsalany. Ny ankamaroan’ireo mpivarotra ireo mantsy dia mpiasa manana ny fahaiza-manao sy ny traikefa amin’ny sehatry ny fanamboarana akanjo izay nitazonantsika ny laharana faha-2 tamin’ny fanondranana teo anivon’ny tsena Agoa, hoy ny sekretera jeneralin’ity minisitera ity Rakotoarisoa Henri. Tombony lehibe ho an’ireo orinasa tsy miankina efa manana fifandraisana any Etazonia ny tsy fandoavan’izy ireo haba amin’ireo entana azo hampidirina malalaka ao amin’ny tsena amerikanina. Manoloana ny fisokafan’ny tsena dia mila miomana sahady ireo orinasa tsy miankina Malagasy amin’ny pitsopitsony ara-teknika takian’ny firenena amerikanina. Ny hanamora ny fanondranana ireo vokatra Malagasy hiditra ao amin’ny tsena amerikanina moa no antom-pisian’ity minisitera mpiahy ity. Tanjony kosa ny hamorona asa iray hetsy isan-taona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.