Edito

Tsarain’ny toetrany eny ihany e !


  • Alatsinainy 03 Desambra 2018

Iray i Madagasikara ary samy Malagasy avokoa no fiantso ny vahoaka ao anatiny na avy any Atsimo na Avaratra na Atsinanana na Andrefana.

 Nataon’ilay nahary ho iray i Madagasikara, ka asakasak’izay te hampisara-bazana sy hivoy fifankahalana izay fomba fiady nentin’ny mpanjanatany namotehana ny soatoavintsika teto. Inoana fa tsy handairan’izany intsony ny valalabemandry fa ho tonga saina amin’izay satria tsy hisy soa hoentin’ny gidragidra katsahina hovolena eto indray, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao. Hiatrika ny fihodinana faharoa isika io, ary hanomboka ny fampielezan-kevitra. Kandida roa izay efa iaraha-mahalala ny tantaran’ny tsirairay avy no mifanandrina. Samy efa nitondra ny firenena fa ny fomba nahatongavany teo no tsy mitovy satria ny iray voafidim-bahoaka fa ny iray kosa naka fahefana tamin-kery. “Ny heloka hibaboana mody rariny”, hoy ny ohabolana sy soatoavintsika, ka ny iray efa nifona tamin’izay mety tsy nety nataony teto amin’ny firenena amin’ny maha olombelona, ary ireo tsy nitovy hevitra taminy aza maro no resy lahatra mahatsapa fa olo-mendrika sy tokony hotohanana izy hahafahany manao zavatra bebe kokoa amin’ny fanarenana sy fampandrosoana ny firenena. Ny iray kosa toa tsy nandrenesana izany na hitam-poko hitam-pirenena izao aza ny famotehana firenena nafitsony ara-politika, ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-toe-tsaina. Tsy misy ny tonga lafatra fa ho an’ny naongana dia tsy takona hafenina fa nisy ny zavatra niabo, ary nanomboka nisondrotra ny harinkarem-pirenena sy ny fari-piainan-dRamalagasy fony teo amin’ny fitondrana izy. Ny an-kilany kosa mety misy tokoa angamba ny zavatra noheverin’izy ireo ho tsara nataony, saingy amin’ny ankapobeny dia niiba izany. Ny fanehoan-keviny samihafa aza dia toa te hikosoka ny tantara sy hamela ireny lasa ireny, ho toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana tsotr’izao izy. Nofinofy izany hibaboka izany fa dia ny manadio tena hatrany no hasesika. Ny an-daniny miantehitra amin’ny herim-bahoaka sy fanohanan’ny Malagasy fa ny an-kilany kosa toa mbola mirehareha amin’ny herin’ny vola aman-karena ka mihevitra fa handeha ho azy ny zava-drehetra. Efa mifoha amin’ny torimasony ny Malagasy, ary mbola manan-kery ny “aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana” e !

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT