Edito

Tsara tohana


  • Zoma 26 Oktobra 2012

Efa am-perinasa tanteraka amin’ny fanomanana ny aorian’izao fitondrana tetezamita izao Atoa Roland Ratsiraka ary efa miomana ho filoham-pirenena voalohany hitantana ny Repoblika faha-4 mihitsy.

 Ireo manaraka akaiky ny fizotry ny raharaham-pirenena tato anatin’ny 3 taona dia tokony hahatsapa fa ny filohan’ny MTS no anisan’ireo mpanao politika tsy nanohana be fahatany ny fitondrana FAT, tsy tena nampiseho fankahalana an’i Marc Ravalomanana ary fatra-panohana ny tondrozotra sy ny fampiharana azy. Maro, araka izany, no mihevitra fa anisan’ireo olona mety hotohanan’i Lafrantsa amin’ny fifidianana manaraka eo izy, ary raha tsy misy ny kandida tena matanjaka sy mahazo fanohanana eto an-toerana sy any ivelany dia mety ho lasa lavitra ihany ity zanak’anabavin’ny amiraly ity, izay hita fa efa manonofy ho filohan’ny Repoblika mihitsy. Efa tena misy dikany lehibe ny fanaovany fanambarana tany Frantsa tamin’ny alalan’ilay hoe : “Appel de Paris” sy ny nahafahany nivahiny tao amin’ny fahitalavitra TV 5 Monde, izay anisan’ny fahitalavitra miteny Frantsay goavana indrindra manerantany.

Tsy dia hoe amin’ny maha filoha lefitry ny CST azy no nahafahany nanao izany, na koa hoe tena matanjaka be hatrany ivelany ny antoko MTS, fa ny tena marina dia efa manana mpanohana any Lafrantsa ny lehilahy ary tsy vao izao izany fa efa hatry ny naha Ben’ny tanànan’i Toamasina azy. Mety azo heverina mihitsy fa izy no ho “jocker” an’ny Frantsay hasolo an’i Andry Rajoelina, araka ny tombantombana efa nentina teto ihany. Azo ambara fa manana traikefa ara-politika i Roland Ratsiraka satria efa voafidy ho Ben’ny tanàna ary efa tafiditra laharana faha-3 tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2006. Vao tsy ela akory izay dia namoaka ilay soso-kevitra ny amin’ny hanilihana an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana, io ilay “ni….ni”. Tonga teto koa ny SADC ary nilaza ny Dr Leonardo Simao fa hoe tsy mbola mety, hono, ny hodian’i Marc Ravalomanana, ary dia miandry ka miandry ny ho tohiny ny rehetra.

Mangingina koa i Andry Rajoelina, asa na maka saina tsara na mandinika ny zava-misy mba hanomanany ny paikadiny na nasaina nangina kely mihitsy aloha. Nipoitra koa ny AV 2002, na ireo niharam-boina tamin’ny krizy 2002 ka ny mpomba an-dRatsiraka sy ny Arema no tena maro an’isa ao. Mila jerena, hono, ny momba azy ireo. Mifamahofaho be ihany ny toe-draharaha. Ny azo antoka aloha dia misy ny efa manoman-tena mba ho eo amin’ny fitondrana ary misy koa ny tsy te hiala eo amin’ny fitondrana, fa ao koa ny te hiverina eo amin’ny fitondrana. Betsaka ny kajikajy politika, fa io dia izay tsara tohana sy manana ny ampy ihany no tafita. Hatreto aloha, dia manana ny lanjany lehibe ny hevitry ny sehatra iraisam-pirenena, ka izay hitany fa mety no tsy maintsy ho filoha eo.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT