Edito

Tsara toerana


  • Alarobia 19 Mey 2010


Maro amin’ireo etamazaoro politika eto amintsika no manatanteraka fanadihadiana, na sondage tsotsotra amin’ny olom-pirenena momba izay kandida handrombaka ny fandresena amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny faran’ny taona. Taorian’ny fanambarana ny tsy fandraisan’anjaran’i Andry Rajoelina moa dia efatra ny kandida hita fa mety hifampitana amin’io fifidianana io, ary azo antoka fa tsy maintsy hisy ny fihodinana faharoa. Ireto avy izany kandida izany : Marc Ravalomanana, Pierrot Rajaonarivelo, Roland Ratsiraka ary i Monja Roindefo. Araka ireo fanadihadiana natao dia fantatra fa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no tombantombanan’ny olona fa ho lany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsotra ny antony, hitan’ny rehetra fa nahavita be lavitra raha ampitahaina amin’ireo nitondra rehetra teto no sady sahy mijoro amin’ny fiarovana ny tombontsoan’i Madagasikara i Marc Ravalomanana. Mahafantatra tsara izany hevitry ny olona izany ny ao amin’ny HAT, ka mety ho izay angamba no hihazakazahana amin’ny fanatanterahana ireo fitsarana ny Tiko sy ny filoha mpanorina azy, sy ny famoahana didy fiampangana ity farany mba tsy ahafahany milatsaka hofidiana. Ary vao mainka moa nahatsara ny toeran’ny filoha teo aloha ity, amin’izany fifidianana izany ny tsy fandraisan’anjaran’i Andry Rajoelina.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT