Edito

Tsara raha manaja tena…


  • Sabotsy 03 Desambra 2016

Sanganehana ny rehetra nandre ny fanambaran’ny Filoha Frantsay François Hollande, herinandro taorian’ny niverenany avy eto Madagasikara.

Niezinezina ny fanambarany fa tsy ho kandida filoham-pirenena amin’ny taona 2017 ny tenany. Tsy any amin’ny maha kandida na tsia azy no mipetraka ny adihevitra fa any amin’ny fahatsapan-tenany. Tsy takona hafenina ny tsy fankasitrahan’ny vahoaka Frantsay maro azy intsony, toy ny zava-misy eto amintsika ihany. Mety mbola ambony kokoa aza ny fitiavan’ny frantsay an’ity filoha am-perinasa ity noho ny fitiavan’ny Malagasy an’i Hery Rajaonarimampianina, raha dinihina amin’ny fanehoan-kevitry ny besinimaro.  Nanaja ny safidin’ny vahoaka dieny aty am-piandohana ny filoha frantsay, fa tsy mba mikotrika hevi-petsy isan-karazany toy ny aty amintsika.  Olona mbola vonona ny hirotsaka sy hiady hatramin’ny farany amin’ny hiverenany amin’ny toerany mantsy no hitan’ny rehetra eto Madagasikara. Efa mandeha ny kajy maloto isan-karazany na dia hitam-poko hitam-pirenena aza ny tsy fankasitrahan’ny maro an’isa azy intsony. Lainga raha hiteny hoe tsy nahavita zavatra ny mpitondra ankehitriny, saingy be loatra ny ronono an-tavy sy ny laza ratsy nananany noho ny soa nataony. Ny fanapotehana no betsaka raha hatao ny tombana, ka tsara raha manaja tena fa tsy faly ny hanao kopisoroka lava eto. Amin’ny manaraka indray manarina raha mbola vonona e !

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT