Hivory afaka hafoloana ireo filoham-pirenena ao amin’ny Sadc ary tsy maintsy hisy ny fanapahan-kevitra momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara horaisina mandritra izany.
Ireo miara-miasa amintsika tahaka ny fanjakana Frantsay, ny Vondrona Eoropeanina dia efa namerimberina fa ilaina ny fisian’ny fifampiresahana eo amin’ireo ankolafy politika rehetra, ary ny fifidianana madio sy mangarahara ihany no tena vahaolana mahomby sy maharitra. Koa mandeha ny tombantombana isan-karazany amin’izay hambaran’ny Sadc, hanaiky ve sa hitsipaka sa hanitsy ilay sori-dalana ? Raha ny zava-nisy tato ho ato izay aloha dia toa mitombina ihany ny nambaran’ny FAT fa tsy hisy intsony ny fikitihana na fanovana io sori-dalana narafitry ny Dr Leonardo Simao io. Tsy tongatonga ho azy mantsy ny filazana avy any amin’ny Firenena Mikambana tamin’ny fiandohan’ity taona ity fa afaka manatrika ny fivoriana fanao isan-taona any New York Atoa Rajoelina, izay efa heverin’ny Firenena Mikambana izany fa filoham-panjakana, dia eo ihany koa ireo fivoahana any ivelany matetitetika nataon’i Andry Rajoelina ary mbola hotohizany ato ho ato.
Azo singanina manokana amin’izany ny any Torkia amin’izao fotoana izay fivoriana karakarain’ny ONU ka niantsoany ireo firenena sahirana sy tara amin’ny lafiny fampandrosoana dia tafiditra tao anatin’izany i Madagasikara. Somary nanaitra ihany koa ny fanambaran’ny masoivoho Frantsay, Jean-Marc Châtaigner farany teo nandritra ny andron’ny Eoropa, ny 09 mey, ka nitenenany hoe : «matoky aho fa fanapahan-kevitra tsara no horaisin’ny Sadc». Fa tsara ho an’iza moa izany ? Tsara ho an’ny mpitondra ny tetezamita amin’izao fotoana ve, izany hoe i Andry Rajoelina sy ireo rehetra mitovitovy fomba fijery aminy, sa tena tsara sy mahasoa ho an’ny firenena ka hampihavana tanteraka ireo izay nosaratsarahan’ny firehana politika sy ny tombontsoa maro isan-karazany ? Mety fanapahan-kevitra tsara ve ny fisakanana ireo mitarika ankolafy politika hafa tsy hiverina eto Madagasikara, tahaka an’Atoa isany Ratsiraka Didier sy Ravalomanana Marc ?
Dia tena hampilamina ny tany sy ny fanjakana tokoa ve izany ? Ireo mahafantatra tsara ny kipitsopitson’ny fifandraisana sy ny diplaomasia eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia mihevitra fa manomboka manaiky tsimoramora an’i Andry Rajoelina ny sehatra iraisam-pirenena saingy mitandrina mafy mba tsy hampikorontana ireo ankolafy hafa. Fomba fiteny ihany ilay hoe mila mihavana sy mifamela ary miara-mitantana ny ankolafy politika rehetra, saingy mazava ny resaka vantany vao voarafitra ilay sori-dalana nambara fa nataon’ny Dr Simao. Raha ny tena marina dia avy amin’ny Sadc iny. Koa raha izany no izy dia mety ho sonia marina sisa no atao dia malalaka ny lalana ho an’i Andry Rajoelina ary mbola hijanona maharitra any ivelan’ny nosy ihany aloha i Dada sy i Deba.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.