Edito

Tsara fa tara


  • Alatsinainy 01 Febroary 2010

Mihazakazaka ny fandehan’ny toe-draharaham-pirenena. Raha atao jery maika dia toa tsy ahita-mitsinjo fa maizin-kitroka ny hoavy politikan’i Madagasikara.

 

Lany andro mifanasa vangy ny mpanao politika, tsy hita be ihany izay vahaolana iraisana hivoahana amin’ny krizy, izay efa mananika ny faha-14 volana izao. Ny Malagasy anefa ity mikaikaika andro aman’alina miantso vonjeo amin’ny tsy fandriampahalemana. Ary ny loza dia hatramin’ny mpitandro filaminana nantenaina hiaro ny olona sy ny fananany no misy tafiditra amin’ny asan-jiolahy, miaraka amin’ny dahalo mandroba sy mampihorohoro. Hany ka toa zary antso an’efitra tsy misy mpandre ny antso vonjin’ny vahoaka. Robain’ny sasany ankeriny ny fananany, mitombo isan’andro vaky ireo very asa, an-koditra ny fahantrana, nefa toa tsy misy mpahita, fa izay voa manodidina. Misoko mangina ny fiakaran’ny vidim-piainana. Miaka-bidy ireo zavatra ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro, ny vola malagasy anefa etsy an-danin’izany tsy mitsaha-mitotongana ny sandany. Mandra-pahoviana no hifaranan’izany ? Nandalo teto ny Groupe International de Contact notarihin’ny filohan’ny Vaomieran’ny Firaisambe Afrikanina, Jean Ping, nitondra volavolam-bahaolana hivoahana amin’ny krizy. Nohamafisiny fa hajaina izay nosoniavina, ary io tolo-kevitra naroso io dia tsy mivaona amin’ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba. Eny am-pelatanan’ireo ankolafy politika efatra izany, ary manana hatramin’ny 06 febroary izao hisaintsaina momba azy io izy ireo ary handefa ny fehin-teniny avy any amin’ny Groupe International de Contact. Mahavelom-bolo ny maro ary manome tsirim-panantenana indray tao amin’ny Malagasy izany. Manamafy izany ny nandrenesana fa niova mpitantana ny Vondrona Afrikanina, ka ny filohan’i Malawi, Bingu wa Mutharika, 76 taona, avy amin’ny Vondrona SADC indray no hitantana mandritra ny herintaona ny Vondrona Afrikanina. Voafidy nandritra ny fivoriambe faha-14-n’ny Vondrona Afrikanina natao tany Addis Abeba ny tenany ary mandimby toerana ny filoha libianina, Mouammar Kadhafi. Hanova zavatra maro izany. Ny Vondrona eoropeanina koa nanamafy fa hanapaka tanteraka ny famatsiam-bola rehetra tokony ho azon’i Madagasikara raha tsy mahita vahaolana iraisana, ny mpanao politika Malagasy. Ny an’ny Amerikanina moa dia nataony basy atifi-kafatra ny heviny, nataony mazava ny azy fa tsy hankato fanapahan-kevitr’olon-tokana amin’ny fitantanana ny tetezamita. Ny Groupe International de Contact rahateo nanamafy fa tsy maintsy hajaina ny sonia vita. Fambara ratsy ho an’ny ankolafy Rajoelina izany, dia milaza ny hampiantso ireo ankolafin-kery hifampidinika eny amin’ny Centre de Conférence International Ivato indray rahampitso 02 febroary. Tsy ratsy ny hevitra fa tara. Efa ritra ny paiso tao an-kady vao miantso vonjy. Tantely afa-drakotra ny fananam-pirenena, mirongatra ny asan-jiolahy, mitotongana ny toekarena, tandindomin-doza ny demokrasia sy ny fahalalahana ary ny zon’olombelona eto Madagasikara. Na izany aza anefa aleo misy toy izay mandrava efa.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT