Edito

Tsapao indray ny hery e !


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Na tsy mitsotra ny marina aza dia tena tojo fahasahiranana ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

 

 

Tsy arakaraka ilay hoe tsy miandry 100 andro, fa tena mikatso sy kofona tanteraka. Mena ny tondro amin’ny zava-drehetra : fandriampahalemana, fampianarana, famoronan’asa, tontolon’ny fitsaboana, fitantanana tsy madio sy tsy mangarahara, ny fihatsarana ara-toekarena tsy misy, ny jiro sy rano mampikolay,… Na novaina aza ny governemanta, dia sarotra ny hahita vokatra haingana sy azo tsapain-tanana. Mbola sedra goavana ho an’ny fitondrana io fahavakisan’ny olana tamin’ny fifidianana io. Raha ny vola aman-karena dia mety miadam-pinaritra ny fanjakana, fa raha ny resaka seza sy fahefana dia tena miha malemy ny fototra. Ny hoenti-manana amin’ny tetikasa sy ny velirano anefa mbola mafy ny fitadiavana làlam-bola, ka manomboka tofoka ihany koa ny olona ary mihevitra fa tena vandy no betsaka. Fa maninona tokoa moa ny fanjakana raha tena manana vahoaka, araka ny endrika fihantsiana nataon’ny olom-panjakana iray, raha manao antso avy amin’ny vahoaka hanohana ara-bola mivantana ny fanjakana ? Ny vahoaka no entanina hanatanterahana ny velirano tahaka ny nataon’ny Etiopianina nanamboatra toha-drano goavana na « dam » rehefa tsy noraharahian’ny mpamatsy vola. Sady tsapan-kevitra vita izany amin’ny fanohanan’ny vahoaka ny mpitondra no tsy fiankinan-doha amin’ny mpamatsy vola. Hitarafana ihany koa ny faharesen-dahatry ny vahoaka amin’ny velirano sy ny tetikasam-panjakana, ary hahafahan’ny fitondrana manaporofo marina fa nadio tokoa ny fifidianana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT