Edito

Tsapao aloha ny herinareo !


  • Alarobia 26 Jolay 2017

Efa vorona azon’adala ity fanaratsiana ny an’i Marc Ravalomanana sy ny Antoko Tiako i Madagasikara ity.

Milaza azy ho henjana sy mampitandrina avokoa izao bodo sy adala rehetra izao kanefa dia fety no hataon’ny TIM fa tsy fanakorontanana na fanonganam-panjakana toy ny fanaon’ny sasany. Mba firifiry amin’ireny olona milaza azy ho mafy sy be resaka any anaty haino aman-jery ireny moa no mba efa nisedra sy niaina ny niainan’ny filoha teo aloha ? Iza no efa nahazo traikefa tamin’ny fitondrana firenena sy ny fanaovana politika, ka nahita ny mamy sy ny mangidy teto amin’ny firenena ? Dia tena mihevi-tena ho zavatra avokoa izay miteny sy manaratsy, saingy tsara kokoa aloha angamba raha misedra sy mitsapa ny hery any anaty fifidianana. Saingy ny azo inoana dia mety na sefom-pokontany aza ny sasany mety tsy ho lany. Raha tena manan-kambo sy mahatoky valera, dia mamela ny rehetra halalaka amin’ny lafiny rehetra, toy ny fanehoan-kevitra, serasera,… ary indrindra ny fifidianana, fa tsy manao didin’ny be sandry sy adin’ny kanosa lava eto. Ho hita amin’izay fotoana izay ny herin’ny tsirairay fa tsy ny fanaovana vava be sy ramatahora isan’andro toy ny fanaon’ny filohan’ny antoko HVM, akory no hoenti-milaza fa matanjaka, kanefa any ambadika mihorohoro. Tsy mba hery fa tahotra sy hakanosana toy ny vovon’alika !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT