Edito

Tratry ny ady an-kafetsena?


  • Alatsinainy 24 Febroary 2020

Tsy hita be ihany ny raharaham-pirenentsika amin’izao fotoana izao. Toa mba misy tsirim-panantenana ihany satria misy ny fampanantenana volabe, raha tsy hilaza afatsy ny an’ny Frantsay.

 

 

Toa domina tapany handoa erany anefa isika. Sanatria tratry ny ady an-kafetsena indray ve isika ka tapenana amin’ny 240 tapitrisa dolara ny vavan’ny mpitondra, dia hangina tsy hiteny? Tsy hitaky ny nosintsika, izay fanamby sy velirano tamin’ny vahoaka? Tsy vao izao isika no tratran’ny ady an-kafetsena. Hararaotiny amin’ny fahalemena, dia roboka tokoa. Tena mifanaraka amin’ny sandan’ny harentsika nositrahany sy mbola sitrahany ve iny sa mbola trosa hamatorany antsika indray? Asa re fa hatreto aloha I Madagasikara, dia mbola tany mpitangirika fanampiana etsy sy eroa. Asa rahoviana no ho tanteraka ny tenin’ny Filohantsika, fa isika indray no hampindrana an’I Kaomoro. Fa tena ny Malagasy tokoa ve aloha no nisitraka ireo volabe nifanaovana sonia tetsy sy teroa. Ny serasera no nipoapoaka hatramin’izay amin’ny fitokisan’ny firenena izatsy na izaroa, eken’ny mpamatsy vola, manampy antsika izao tontolo izao,… Asa izay hiafaran’ity firenentsika ity, fa dia miha sahirana andro aman’alina. Ny vahoaka sarotra entina. Ny mpitondra tsy mahalala izay laharampahamehana. Asa izao ve sanatria ilay hoe ny firenena manana vahoaka maditra dia mahazo mpitondra adala? Miakatra hatrany ny maripana politika ankehitriny, ka dia andrasana izay hiseho atsy ho atsy. Haneho ny heviny hitondra kihana mivaivay ny antoko HVM ho an’ny anio. Hamory ireo lohandohan’ny mpisorona ao aminy ihany koa ny antoko TIM ny alarobia izao. Miandry izay ho akony indray aloha ny rehetra e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT