Edito

Trafikana omby Miara-miasa ny sinoa sy ny dahalo ?


  • Zoma 18 Novambra 2016

Tandindonin-doza ny omby Malagasy amin’izao fotoana izao. Efa ho lany tamingana ny omby any Atsimon’ny Nosy kanefa tsy mahataitra ny fanjakana izany.

 

Maro amin’ny olon-tsotra sy ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena no nangataka amin’ny mpitondra ny mba hanatsaharana ny fanondranana omby any ivelany kanefa toa tsy misy valiny mahafa-po. Vao mainka aza ny mifanohitra amin’izany no misy raha dinihina amin’ny zava-misy any Ankaramena, faritra Toliara. Velaran-tany ana hektara maro no ampiasain’ny sinoa manao tetikasa goavana mifantoka amina fanatavizana omby. Tsy fantatra mazava ny fomba nahazoan’ny sinoa izany tany be midadasika izany. Ny manampahefana toy ny minisiteran’ny fiompiana rahateo tsy mbola nanome fanazavana mazava mikasika io tetikasa io sy ny fahazoan-dalan’ireo sinoa ireo. Maro amin’ireo tompon-tany no velon-taraina sy mihevitra fa namidin’ny fanjakana amin’ny sinoa io tany be io kanefa maro ny Malagasy maniry ny hividy sy hampiasa izany. Ny tena loza amin’ny fisian’ireo sinoa ireo dia toa misy ifandraisany amin’ny asan-dahalo any an-toerana izy ity. Mandeha ny resaka fa izy ireo no mampaniraka ireo dahalo hangalatra omby ary alefa ao amin’io toerana io avy eo. Haondrana any ivelany ny omby sy hena amin’io toerana io fa tsy mba haparitaka amin’ny tsena anatiny, anisan’ny antony mampiakatra andro aman’alina ny vidin’ny hena izay miapaka hatraty an-drenivohitra. Manome vahana ny trafikana omby, araka izany, ny fisian’io tetikasa tsy dia mazava io. Manginy fotsiny ireo vokatra hafa satria mangahazo an-taonina maro no ilaina amin’io toeram-panatavizana omby io, raha ny fampitam-baovaon’ny olona any an-toerana. Ny mahagaga dia toa mangina sy tsy re feo ireo tompon’andraikitra toy ny minisitry ny fiompiana sy ny fambolena, izay tompon’andraikitra tokony hahafantatra voalohany ny momba izao zava-misy izao. Ahiana ho misy firaisana tsikombakomba amin’ny mpitondra sy ny sinoa izay efa malaza ratsy mihitsy izao zava-misy izao.

Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT