Edito

Trafikana Boaderozy Mihaodihaody any Tolagnaro ny sambo vahiny


  • Talata 01 Jolay 2014

Mbola resabe any amin’iny distrikan’i Tôlagnaro iny hatramin’izao ny halatra sy ny fanondranana boaderozy....

Saika ahitana izany ireo fari-dranomasina maromaro any an-toerana. Tao anatin’ny andro vitsivitsy izao dia sambo roa no miara-mihaodihaody amina fari-dranomasina efa voafaritra. Ny voalohany any Sarisambo,  tapany atsimo  ary ny faharoa tapany avaratra any amin’iny kaominina Mananantenina Iaboakoho iny. Ho an’ny any Maroroy dia “rondains” na “bois de roses” maherin’ny roa arivo no miparitaka manamorona ny ranomasina. Ireo rehetra ireo, araka ny vaovao voaray, dia efa vonona ny sambo hanondranana azy. Marihina fa hazo saro-bidy ireo tratra ary miandry izay hanaovan’ny fanjakana azy. Eo ihany koa ireo vao avy nokapaina. Ny mahatsikaiky dia efa samy mahafantatra ny fisian’ireo hazo ireo ny mpitondra fanjakana isan’ambaratongany sy ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana nefa manao vazaha mody miady.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT