Edito

Toy ny vitan-tsetsetra


  • Zoma 05 Martsa 2021

Mahantra indrindra maneran-tany ny Malagasy. Mitotongana ny fanajana ny kolontsaina sy soatoavina.

Toy izany koa ny fari-pahatakaran’ireo solofo sy dimby mandranto fianarana manomboka eny amin’ny ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony. Santionany amin’ny loza mitatao sy mihatra amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy ny manodidina azy izay mialohan’ny hampatsiahivana ireo tsy fahatomombanan’ny fiarahamonina Malagasy amin’ny ankapobeny ankehitriny mihitsy. Mbola tsy mivaha ny tsy fandriampahalemana. Mbola tsy zaka ary miha mampikaikaika ny maro ny fidangan’ny vidim-piainana. Mikorontana tanteraka ny tontolon’ny asam-panjakana ary mbola tafiditra ao anatin’izany koa ilay resaka anjerimanontolo teo. Vao maika miha manahirana ny mahazo fampitaovana sy vatsim-pianarana hatramin’ny trano fonenana ho an’ireo mba te ho tonga vato nasondrotry ny tany satria dia mitokona koa izany ankehitriny ireo tomponandraikitra amin’izany fa ataon’ny fitondram-panjakana anjorom-bala ny fanomezana karama. Ny Jirama miha banky ropotra. Sady mandona ny lafiny sosialy io no toekarena. Mbola tsy tafarin-doha hatramin’izao ny sehatra tsy miankina sy ny fizahantany saingy ny hita eny amin’ny tambazotran-tserasera sy lasa lamaody indray izao ny miteny azy dia ny hoe “Ontsa anie aho!”. Maha ontsa, hono, ny mahita ny fahantrantsika sy ny tsy fahatakarantsika, raha ambara amin’ny fomba tsy dia mandratra loatra. Toy ny vitan-tsetsetra sisa no hiheveran’ny Malagasy sasany ny fahafaha-mamaha ny olana eto. Miala amin’ny resa-jaza dia miditra amin’ny resa-tsokatra, hoy ny vazivazy omaly izay. Rahoviana ihany tokoa isika moa vao tsy ho valalabe mandry intsony fa be mifoha ?

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT