Edito

Toy ny tany miady


  • Talata 18 Janoary 2022

Araka ny efa nanampoizana azy. Fihetsiketsehana izao hita tao Andekaleka tao izao, herinandro hatramin’ny omaly izay. Inona akory anefa no teo?

 Vao mainka nitombo ny fahamaizinana nanerana ny tanana. Raha mba fahamaizinana tsy mitondra takaitra amin’ireo seha-pihariana sy fiainana takiana amin’izao vanim-potoana izao moa maninona? Ny olana dia voadona avokoa na ny toekarena na ny sosialy sy ny asa aman-draharahan’olona maro, araka ny efa nitaterana azy teto, ao anatin’ilay zava-mitranga. Toy ny tany miady ilay Madagasikara mbola tsy nandalo izany toerana izany hatramin’izay naha repoblika azy. Na ny tany avy nandalo ady aza tsy miaina fahantrana lalina mihoatra ny vahoaka ao aminy amin’izao fotoana maha miiba ny harinkarena ho -7% mahery izao eto amintsika izao. Mbola sahy ihany ireo mpitondra sy mpiaradia aminy milaza fa mandeha ny fampandrosoana, hoy ilay solombavambahoaka iray izay. Tokony hampitoviana angamba aloha ny famarintantsika ilay atao hoe “fandrosoana”, hoy ny tekinisianina? Mandroso tokoa ve no ilazana ny firenena feno vahoaka mahantra, noana, tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny atsasa-manilany, tsy mandry fahalemana, tsy mahatosika ny filana angovo toy ny rano sy jiro nefa any amin’ireo firenen-kafa tena henatra tsy hita noanoa izany hoe mampiaina ny vahoakany ao anaty aizina izany? Toy ny raisina ho fahotana mihitsy izany any Japon. Mampiondrika isaky ny minisitra naha tapaka ilay herinaratra. Vao taona vitsy lasa izao tontolo izao no nahita iny minisitra tomponandraikitra tany an-toerana niondrika 20 minitra iny satria tapaka tao anaty 20 minitra ny herinaratra. Ny antsika eto toa ny olompirenena mimenomenona sy mitsikera ilay izy indray no toa mahazo tsiny nefa efa sady manjifa fa tsy hoe misitraka maimaimpoana ilay izy? Hafa indray mantsy raha izay no fipetrany. Nantenaina mba ho fanombohan’ny vahaolana moa iny omaly iny saingy ireny niaraha-nahita ireny hatreto ny zava-nitranga. Toa toy ny tany miady… miady mafy amin’ny haizina !
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT