Edito

Toy ny mahazatra e !


  • Talata 30 Mey 2017

Mahalasa saina sy mampametra-panontaniana ihany hoe ndrao dia tokony hasiana alimanaka amin’izay ity fitokonana miverimberina sy vahaolana famonoana afo lava niseho tao anatin’ny 4 taona sy 5 volana teto amin’ny firenena ity ?


 Ny mahagaga dia toy ny efa lamaody mihitsy ilay zava-miseho ary toy ny milahatra mihitsy hoe ny volana janoary ka hatramin’ny volana mey dia an’ireo mpanao politika milaza azy ho mpanohitra ny fitondrana mijoro ary miserantserana eny an-tsefatsefany eny sahady ihany koa ireo karazan-tsendika maromaro. Hiroso amin’ny volana jona indray isika izao dia miara-mirona daholo ny fitokonan’ireo sendika heverina ho matanjaka saingy tsy mivondrona fa samy manao ny azy hatrany. Tsy mahagaga raha vahaolana mamono afo toy ny mahazatra hatrany koa no mivoaka avy eo ary dia mihodinkodina toy ny tandrimo hatrany ny olana sy vahaolana misy. Toy ny mahazatra e !

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT