Feno herinandro anio sabotsy sahady ny tolona nentin’ireo depioten’ny fanovana tontosaina etsy Analakely. Nosalorana ny anarana hoe « Fihaonambe » moa ity hetsika anio ity.
Raha ny fandaharam-potoana, eto vao hidirana amin’izay ilay antom-pisian’ny fihaonana hatrany am-boalohany dia ny fitaterana ny zava-nitranga rehetra teny amin’ny antenimieram-pirenena teny ka antony nampitroatra ireto solombavambahoaka ireto. Be ny feo efa mandeha mikasika ny fikasan’ireo mpisompatra ny hetsika ka handotoana toy ny mahazatra ny tolona hoe hitakiana ny rariny toy izao. Novakiana teny an-kianja mihitsy moa ny ampahany tamin’izany tamin’ny faran’ity herinandro ity. Mbola niparitaka koa ny feo omaly fa misy loholona malaza iray namory bokonozatra teny Namontana teny hanao hetsika hanimbana ny fikasan’ireo depiote ireo sy ny mpanara-dia azy. Toy ny mahazatra ihany koa dia io indray ry zareo avy any Dilambato fa mba hananatra antsika, hono. Izy ireo, hono, no hampihavana sy hanelanelana amin’izao olana mianjady amin’ny firenena izao. Fantatr’ireto vahiny ireto tokoa ve anefa ny tena « fototry ny olana » Malagasy ? Fanimpiriny tamin’ny krizy nandalo teto amin’ny firenena moa izao mandalo izao fa nahavaha ireny tanteraka ve ny vahiny sa mba mpandray anjara fototra tamin’ny fampahantrana ny firenena koa ? Tsiahivina hatrany fa hatreto aloha dia tsy nisy firenena niharan’ny fanelanelanan’ireto sehatra iraisampirenena ireto ka niha nandroso. Faha-4 amin’ny firenena mahantra maneran-tany isika ankehitriny. Hahagaga ve raha hanilika azy ireo ireto depiote ireto ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.