Edito

Toy ny gadra !


  • Sabotsy 08 Jolay 2017

Na tandroka aron’ny vozona na mpitandro ny filaminana dia samy anarana nentina niantso ny miaramila taorian’ny fanjanahantany sy fony mbola tao anatin’ny fahaleovantena faha mpanjaka ity nosintsika ity.

Ho an’ny tanindrazana moa, raha tsiahivina hatrany no teny filamatr’izy ireo rehefa any anaty fianianana any. Aiza ho aiza ary amin’izao fotoana izao no fahamarinan’ireo rehetra ireo ? Ao anatin’ny firongatry ny asan-dahalo any amin’ireo faritra ahitana izany ve ? Any anatin’ireo fitsaram-bahoaka sy asan-jiolahy efa miharihary fa mitady tsy ho voafehy intsony ve ? Indrindra moa, ao anatin’izao fanagejana ireo tsy manam-basy tsy haneho hevitra toy izao mitranga ankehitriny izao ve ? Na ny fanaovana fety lojika toy ny fankalazana fitsingerenan-taona aza dia tsy azo antenaina intsony ny mpitandro ny filaminana hitandro ny filaminana ary hamela malalaka ny fanatontosana izany fa dia aleony fotsiny izao mangeja sy manafoana fifaliam-bahoaka. Inona moa izany ankehitriny no maha samihafa ny vahoaka malagasy amina gadra raha mandry an-driran’antsy amin’ny tsy fandriampahalemana sy voarara tsy hanao ity rehetra ity ?

J. Mirija   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT