Edito

Tototry ny kihana


  • Alakamisy 16 Aprily 2020

Takon’ny raharaha coronavirus ny aferam-pifidianana teto Madagasikara, izay tena nafana sy tsy nahamarin-toerana mihitsy ny fitondram-panjakana. Sarotra ny raharaha teo,

 

 

saingy adinodino satria tsy maintsy miara-miatrika ity areti-mandringana iraisana amin’izao tontolo izao ity. Na izany aza toa tsikaritra ihany ny karazana fanararaotana ara-politika ankolaka na mivantana tao anatin’ity raharaha coronavirus ity. Niharihary ny endrika fampalazana tena, ny fanampiana ara-tsosialy toa asiana endrika fakana fom-bahoaka amin’ny politika, hatramin’ny coronavirus aza hampidirana lokon’antoko. Toa tahaka ny mbola any anaty propagandy izany ny zava-misy indraindray. Tsikaritra ho mitandrina be ny Filoha, tsy dia sahy manenjana amin’ny fanapahan-kevitra. Na niteny aza ny Filoha tany am-boalohany fa tsy andron’ny fifanomezan-tsiny intsony izao, dia efa nisy ny mpanao politika nanebaka an-kitsirano fa ny fahataran’ny fanapahan-kevitra tsy nanidy ny sisin-tany, ny tsy fihainoana ny hafa nataon’ny Filoha no fositra nahatafidiran’ny coronavirus teto. Natao sorona noho ireo 5000 nampidirina teto ve ny 25 tapitrisa? hoy ny sasany. Mbola adihevitra lehibe ny famelana ireo an’arivony maro nivoaka an’Antananarivo satria hoe maro ny fitarainana voarainy. Ny rehetra anefa nolazaina fa mila mihafy kely, kanefa mbola nisy no nomena vahana manokana. Mahatsapa ve i Andry Rajoelina fa ara-dalàna fa tsy ara-drariny ny maha filoha azy raha dinihina amin’ny disadisam-pifidianana ka izay no mahatonga azy manapa-kevitra hafahafa manome vahana ny vitsy an’isa mba hampitombo ny mpanohana sy hankasitraka azy? Toa tsy mankatoa fahefam-panjakana intsony anefa ny olona, raha dinihina amin’ny resaka fihibohana. Efa avoaka hatramin’ny fiara mifono vy, saingy manao ny ataony ny olona eny an-dalambe. Ny fanaovana tari-bato vilam-bava avy amin’ny mpitondra no isan’ny antony. Asa re izay ho tohin’izao raharaha izao fa raha ny zava-misy ara-tsosialy, ara-toekarena aloha dia tena torovana ny Malagasy. Tsy vitan’ny fampanantenana lava fotsiny io, na an-kizarazara zavatra amina ampahan’olom-bitsy dia hilamina, fa tena mila fahaiza-manao sy hakingana. Andrasana izay hiseho!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT