Tototry ny fandrendrehan-tsaina

Tototry ny fandrendrehan-tsaina na “diversion”.


  • Talata 14 Novambra 2023

Izay angamba no azo hamehezana ny manjo ny tontolo politika teto Madagasikara hatramin’ny taona 2018

no ho mankaty! Mampahatsiahy ny fiporitsaritsak’ireo sary momba ny verin-droa na “doublon” tamin’izany fotoana izany kanefa nijanona ho fimenomenomana tanaty tambazotran-tserasera ihany amin’izao fotoana izao ny fahitana ireo karazan-taratasy miparitaka mampiseho ireo lazaina fa fitanilana na tsy fahatomombanan’ny tontolom-pifidianana ao anatin’izao 2 andro mialoha izany izao. Omaly fotsiny dia ireny toy ny fiposahan’ny tafika andrefan-tanàna na masoandro be lohataona ireny, ohatra, ny hoe fangatahana tsipaipaika ataon’ny eny amin’ny fokontany amina orinasa mba hahafahana manatontosa fifidianana. Teo koa ny hoe mpampianatra amin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana terena an-kolaka na mivantana hanotrona ny propagandin’ny heverina fa kandidam-panjakana ao anatin’izao toe-draharaham-pirenena izao. Iny koa ny fangatahana fanapahana ny karaman’ireo mpitarika tolona sendikaly eny anivon’ny SECES izay nataon’ny filoham-pirenena mpisolo toerana mihitsy. Ao anatin’izany rehetra izany dia hita ho mizotra mankany amin’ny fifidianana atao ny alakamisy izao izany aloha ny toe-draharaha ankehitriny ary dia mifototra amin’ny fandrisihana ireo olompirenena tsy handray anjara amin’izany indray ankehitriny ny tolon’ireo kandida miisa 10 raha toa ka ny hanakana izany sy hanadio ny tokontanim-pifidianana no tanjona teo aloha. Inona tokoa moa ny maha ratsy ny hoe miady ho an’ny fangaraharahan’ny fifidianana na ny mba hisian’ny fifidianana madio, tsy mitanila, eken’ny rehetra? Inona no maha ratsy ny fampirisihina ny olompirenena tsy handray anjara amina fifidiana efa hita miharihary fa tsy tomombana, mba tsy hilazana hoe maloto mihitsy? Ny fifampitantanana miodidina ny farihin’Anosy sy ny fanaovana diabe any Itaosy nefa ve no mety hahavaha izany olana izao ao anatin’izao 2 andro tsy hahatongavan’ny 16 novambra izao ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT