Toton’ondry bory hatrany!?

Miaina tanteraka ao anaty tsy fahamarinan-toerana ara-politika ny firenena.


  • Alakamisy 21 Septambra 2023

Mbola mijanona ho resaky ny moana sy ny marenina ny adihevitra politika.

Ny andaniny manatsikafona ny tsy fetezan-javatra ao anatin’ny zotram-pifidianana, ny ankilany tsy te hahalala ary manao toton’ondry bory amin’ny hoe: efa didy tsy azo hivalozana io. Tsy te hahalala izay didy aman-dalàna sy etika politika any, fa dia tena manao didin’ny be sandry sy kopisoroka ara-bakiteny. Tsy tena manana vetin-kevitra maharesy lahatra firy, fa hoentina amin’ny filazana fa matahotra ny mpifaninana hafa. Tena ara-bakiteny tanteraka ankehitriny ilay hoe: “izahay aloha no eto!”. Tena mbola misy sahy milaza amin’izao fotoana izao fa tsy misy krizy eto, fa asa fanakorontanana no misy. Ny filazana ny ahiahy sy ny fitakiana ny hanadiovana ny kianja politika hilalaovana ve no asa fanakorontanana sa ny fiziriziriana hanao hitsin-dàlana amin’ny zavatra efa hita fa mampiahiahy? Dia tena hoe: tahotra olona iray ve no mampiray feo ny olona 11 na 12 hoe: misy zavatra tsy mety ka tokony hahitsy? Efa hatrany am-piandohana ny fahitana fiziriziriana sy fanaovana tian-kano tsy tian-kano, nandeha ny antso avo samihafa fa fanaovana bemarina no setriny, niditra an-tsehatra mivantana na ankolaka ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny fanampanasoavana sata ara-pitondran-tena ho an’ny mpanao politika fa misy tsy te hahalala,… Efa tena tafiditra ao anatin’ny kihon-dalan’ny tantara isika, ka any amin’ny vahoaka sisa ny fanapahana hoe: mbola hanaiky hoterena hisotro ny rano tsy tiana sa tonga ny fotoana handresena ny setrasetra politika sy ny herin’ny vola tadiavina hanjonoana indray ny valalabemandry!?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT