Edito

Toran-kovitra tanteraka


  • Zoma 02 Martsa 2018

Misavorovoro indray ny any an-dapa any amin’izao fotoana izao. Matahotra mafy ny ho hosongonan’ny namany indray, hono, ny lohan’ny firenena ankehitriny ka tsy mahatoky sy miahiahy ny fihetsiky ny mpiara-mitondra.

  Mandeha mihitsy ny ankety ho an’ireo ahiahiana hoe ianao sao dia hisongona ahy amin’izato fihetsikao toa miseho ho manakaiky vahoaka sy mampalaza tena. Izay miezaka miseho vahoaka sy mety miseho azy ho mahavita zavatra kanefa mandeha irery izany izao ao anaty fitondrana ao, dia mety ho tratry ny adina sy ny fanaraha-maso lehibe fa sao hisongona ilay lehiben’ny fisandratana 2030. Na inona anefa na inona aloha ambara sy fandokafan-tena na fanarontsaronana ny tsy nety, dia hatramin’ny namana akaiky aza efa tsy mahatoky intsony ny sasany, fa mbola io olona io ihany no hatolotra sy hotohanana. Izy anefa aloha no lehibe sy mitondra ny baolina ankehitriny, ka tsy maintsy toavina sy ekena sao hiakaran’ny hatezerany eo ka ho very fihinanana. Ny mampihomehy anefa, dia ny namana, izay tokony ho voafehy tsara aza tsy hananana fitokisana  sy maha toran-kovitra mainka fa ny hafa. Lojika ny fanaovana kajy politika maloto tsy voahevitra mety hamatotra ny tena. Ny tahotra sy ny hakanosana politika no mibaiko, ka vao mainka manaotao foana. Ny tsy fahatokisan-tena sy valera ihany koa etsy an-daniny no zary akanjo fitafy sy lamba firakotra, ka lojika raha toran-kovitra kanefa mbola miseho ho be herim-po amin’izato ambara fa fisandratana. Misandratra amin’ny zavatra miiba tokoa, saingy tsy mba menatra e ! Misandratra ny tsy fandriampahalemana, misandratra ny kolikoly, misandratra ny vidin-tsolika,… dia misandratra ny fahatahorana ny ho very seza !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT