Miandry am-pitoniana izay ho voka-pifidianana ny rehetra ankehitriny. Miandry na eo aza ireo mafana fo mampiaka-peo eo anatrehan’ny zavatra hitany fa tsy nety sy tsy rariny.
Toa mba mahay mipetraka sy milamina tsara ihany ny rehetra amin’ny ankapobeny fa ireo heverina ho fitaratra indray ity no toa manangan-tsampona. Tsy andron’ny fampielezan-kevitra intsony izao, saingy mandeha hatrany ny karazana fandranitana ataon’ny efa zatra mpihantsy ady. Lalaovina any anaty serasera sy haino aman-jery ny voka-pifidianana amina biraom-pifidianana vitsivitsy hoentina hanaratsiana kandida, toy ny hoe: resy i Marc Ravalomanana teny ambany tanàna ary naloam-bahoaka e ! Sarotra sy mahamenatra ny hamerina ireo voambolana toa ambany fisainana sy fanavakavaham-bolon-koditra hoentina manasoketa an’i Marc Ravalomanana ho manavakavaka ny olona eto afovoan-tany sy any amin’ny sisiny e ! Iza no kandida akaiky indrindra ny vahoaka sy nifanerasera indrindra tamin’ny Malagasy nanerana ny Nosy tao anatin’ny 4 taona ? Iza no nandeha nigalabona nihinana ny harena nangalarina teto avy eo tonga nanambitamby ny Malagasy indray ? Voizina hatramin’ny adim-poko amin’izao hoentina mandoto sy manaratsy azy. Matahotra mafy iny olona iny ho lasa filoham-pirenena tsy ho ela taorian’ny namotehana sy nanenjehana azy ho naloam-bahoaka tamin’ny 2009 ve ka manao adim-borontsiloza sy tsy mifidy vava havoaka ? Efa tena lany henatra ! Io porofoin’ny Malagasy io fa lainga sy fanosoram-potaka ny natao 9 taona lasa izay, ka toran-kovitra sy mihorohoro hatrany ny sasany, izay toa efa manao tsipaky ny miala aina sy mandrovi-tsihy e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.