Edito

Toran-kovitra sahady !


  • Alarobia 05 Jolay 2017

Adin’ny kanosa sisa ampiasain’ny fanjakana HVM hoenti-mamingana ny mpifanandrina politika aminy amin’ny fifidianana ho avy.

Toran-kovitra sahady vao maheno an’ilay hoe hatao mangorom-potsy ny Kianjaben’I Mahamasina amin’ny 8 jolay. Inona no atahorana sy tsy hamelana ny fanatanterahana ny hetsika raha tena mahatoky tena ho mamim-bahoaka ? Tonga saina sy mihoron-koditra sahady fa hay ity olona sakantsakana sy hanao kapa ranjo andro aman’alina ity, dia mamim-bahoaka sy be mpanaraka na tsy mamafy vola be aza. Atao daholo izay ankasoparana rehetra, toy ny tsy famelana ny orinasan-tserasera hisokatra, saingy volamena latsaka am-bovoka, ka tsy avelan’ny tarany tsy hamiratra e ! Inona indray no atao aorian’ity tsy famelana ny hetsika etsy Mahamasina izay tsy hihemotra ity ? Ho sahy hanao fampiasan-kery ve rehefa tsy mahomby ny kajikajy mamohehitra isan-karazany. Efa naman’ny mandevi-tena tsimoramora ny fanjakana Rajaonarimampianina ary manao tsipaky ny miala aina. Mila vaniny sy mila voatsiary sisa no mba hany fialana vokony eto amin’ny firenena, fa raha izay hitondra vahaolana amin’ny fahasahiranam-bahoaka dia tsy mbola laharam-pahamehana noho ny fanaovana kolikoly sy afera maloto. Misy farany ny zava-drehetra, hoy ny Malagasy ary mizotra miadana makany amin’ny amin’ny fiafaran’ny fanjakan-jiolahy isika izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT