Nilaza ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo omaly fa tsy hisy fiakarany toy ny miseho isaky ny fiandohan’ny volana ny vidin-tsolika amin’ity volana jona ity.
Raha ny zava-nisy isaky ny fiandohan’ny volana nanomboka ny fiandohan’ity taona 2017 ity anefa dia niakatra hatrany ny vidin’ny solika. Mahagaga ihany hoe nahoana no tsy niakatra tamin’ity volana ity, kanefa dia izay foana no niseho hatrizay? Azo atao ihany izany ny mitazona azy tsy hiakatra, ka nahoana no tsy natao hatrizay fa amin’izao vanim-potoana tena mafana eto amin’ny firenena vao mody mandray izany fanapahan-kevitra izany? Matahotra mafy ny fipoahana ara-tsosialy ny fanjakana ka nisafidy ny tsy hampiakatra, ka mety nifampiraharaha tamin’ireo mpamatsy solika. Toa efa miseho daholo mantsy ny endri-pitokonana rehetra, ka sao ho tonga ihany ny pitik’afo kely handoro ny HVM sy ny forongony. Samy mitokona sy mitaky daholo ny vondron-kery toy ny mpanao politika efa manomboka mifanantona sy mamondrona hery. Ny sendika isan-tsokajiny ihany koa dia efa sesilany ny fitakiana sy fitokonana, raha tsy hilaza afatsy ny mpampianatra mpikaroka, ny fadin-tseranana, ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana… Ny vahoaka sisa no toa mbola tsy rototra satria tena sahiran’ny fitadiavana sy mikaroka izay harapaka isan’andro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.