Edito

Tora-kovitra


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2016

Tsy re feo sy tsy re tsaika amin’ny fanomezam-baovao mikasika ny Frankofonia intsony ny fanjakana Malagasy.


 Efa atomotra anefa ny 22-27 novambra hanaovana izany saingy tsy mbola misy tokontaniny ny zava-drehetra. Nihitsoka tanteraka ny fanomanana na ara-teknika na ara-politika. Aiza ilay filazan’ny filoha fa efa tomombana ny zava-drehetra? Efa io iaraha-mahita io fa tsy misy azo antenaina ny resaka teknika raha jerena amin’ny lafiny fotodrafitrasa. Ny lafiny politika moa dia maso miara-mahita ny an’ny rehetra fa mikorontana tanteraka kanefa takiana amin’io fotoana io ny fitoniana. Tsy sasatry ny mamono afo amin’ny fomba maro ny mpitondra ka isan’izany fampiasana herim-pamoretana. Miezaka mandamina ireo sakoroka politika saingy hita ho tsy mahafehy izany intsony. Efa tena tora-kovitra amin’ny zava-misy ny mpitondra eto amintsika ka tsy mahita horaisina sy tsy mahita holazaina intsony noho ny fanaovana tandrametaka misesisesy. Mety ahilika any amin’ny mpanohitra sy ny fitakiana sendikaly indray angamba ny tsy fahatomombanan’ny fandraisana ny fihaonana an-tampony faha-16 n’ny Frankofonia. Iaraha-mahalala rahateo fa tsy mba mety manaiky ho tompon’andraikitra amin’ny olana eto amin’ny firenena ny mpitondra ankehitriny fa miha ialana bala foana.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT