Tontolo samihafa!

Tontolo roa samihafa mihitsy no misy ny entina sy ny mpitondra eo!


  • Zoma 22 Martsa 2024

Mifanipaka tanteraka toy ny atsimo sy ny avaratra, hany ka zavatra

hafa no manahirana ny valalabemandry, ary hafa mihitsy ny mahadodona ny mpitondra. Tsy misy olana izay tsy mitranga, hany ka mitaintain-dava tahaka ny sahobabaka ambody riana ny Malagasy. Ny delestazy manao ny ataony, ny solika mikorontana ny famatsiana, ny vidim-piainana miha midangana andro aman’alina, ny tsy fandriampahalemana manao ny ataony,… Dia tena hoe: tsy misy vahaolana tokoa ve fa miandry izay higadonany sy hiseho lalandava eto? Io fa sarontsaronana amin’ny hoe: hiakatra ny karaman’ny tsy miankina! Marina fa tsy mitovy ny misy an’io sy ny tsy misy fa moa tena mahavaha ny olan’ny fahantrana sy ny fahefa-mividy ambany dia ambany ve? Sa akaiky ny fifidianana dia mandeha indray ny pimaso sy fampatoriana mitsangana? Ankoatra io mantsy dia toa manangasanga any indray ny kimoramora eo anatrehan’ny fanamorana na fangatahana ny hanamorana ny fampidirana kivarivarim-bazaha eto. Ny kijirojiro moa somary nangingina tao ho ao, saingy efa manangasanga any indray mba hanjonoana mpifidy. DIa tena izany ve no hatao fomba fiasa sy fiady politika mandavan-taona? Heverina hatrany ho toy ny akoho ny Malagasy ka na volosana amin’ny fampantrana aza manatona foana rehefa tsipazana katsaka?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT