Edito

Tononkira sisa tsy levona !


  • Alarobia 23 Aogositra 2017

Nofofinofy sy zary tononkira tsy lefin’ny vanim-potoana nifanesy sisa ilay voalazan’ny hiram-pirentsika hoe “Ny fitiavanay anao tsy miala, fa ho anao doria tokoa” sy ilay hoe “hiadana sy ho finaritra, he! sambatra tokoa izahay”.


 Tononkira sisa tsy levona, fa raha resaka fitiavan-tanindrazana izany dia an-kavitsiana sisa tena mijoro sy madio fo sy vonon-kiaro an’i Madagasikara. Ny mpitondra mihitsy no lohalaharana amin’ny famotehana sy ny famadihana tanindrazana raha tarafina amin’ny zava-misy ankehitriny. Hampanjakaina ny kolikoly, homena vahana ny afera maizina, ny fanondranana harem-pirenena,… Mba hahafahana mitsentsitra hatrany ny harem-pirenena, dia hampiasaina ny herim-pamoretana hanaovana fahirano, izay manelingelina. Ny fanomezana vahana ny vahiny mpandroba firenena manginy fotsiny satria ny sinoa sy ny karana no manankarena mihoapampana sy manjakazaka eto Madagasikara. Izay Malagasy sahy mijoro sy hifaninana ary vonona ny hifanandrina amin’ny tsy rariny ataon’ireny vahiny ireny, dia potehin’ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy ihany satria misy ny efa jamban’ny vola aman-karena, ka tsy te hiraharaha izany tanindrazana sy mpiray tanindrazana aminy izany intsony. Miaina fahoriana sy fahantrana lalina eo amin’ny taniny ny vahoaka, ary miadam-pinaritra kosa ny vahiny tsara aron’ny mpitondra mpamadika tanindrazana. Aiza ilay hoe hambompom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT