Edito

Tongo-bakivaky


  • Zoma 08 Oktobra 2021

Resy indray ny ekipam-pirenena Barea e! Toa efa mahazatra ilay “resy lava”, izay tany amin’ny fifanoherana sy fanasana vangy ara-politika no niantombohany.

 Tongo-bakivaky tokoa, ka sady maharary no mahamenatra. Tsy hisy mpilalao ao anaty ekipam-pirenena haniry faharesena izany, tena betsaka ny finiavana, betsaka ny fitiavana,… fa mety ao ihany koa ny fetra tsy azo hanoharana: ara-tsaina ara-batana, ara-panahy, ara-moraly. Matoa izao ny zava-misy, matoa io no vokatra dia ao raha! Potiky ny disadisa sy ny fifandrafiana, hotohoton’ny fifamotehana, ravaravan’ny kajikajy politika,… Nofinofy sisa ilay fientanana nentin’ny kitra tamin’ny 2019, fa izao dia tonga amin’ny ilay vazivazy mampanongo tena hoe: “miverina amin’ny heriny ny Barea” taorian’ny fahatafidiran’ny “werawera” ao anatiny. Toa mampametra-panontaniana amin’ny lasa hoe: isika tokoa ve no nahavita fahagagana sa nitondra herijika ho antsika ny fisiana teratany Malagasy teo amin’ny fitantanana ny kitra Afrikanina ka mba afa-doza tamin’ny tsindrihazolena fanaon’ny Afrikanina isika? Asa re rahoviana indray no ho tafarina? Na ireo mpilalao aza mety ho kivy hoe: sao hannimba tena amin’ity fotsiny? Mila mandinin-tena, mandravona ny olana samihafa isika raha mbola te ho tafavoaka velona amin’io taranja io. Zava-dehibe ny fitondran’ny mpitondra na ny politisianina anjara biriky amin’ny kitra, fa mila ialana amin’izay ity kajikajy politika toa fanaovana fitaovana ny ekipam-pirenena hitazonana seza sy fahefana ity e! Sao sanatria tsinin’ireo taranja hafa ihany koa ary izao miseho izao. Betsaka anie ny taranja misy Malagasy mamiratra, ary vao andro vitsy, ohatra, no nisongadina eo amin’ny laharana faharoa sy fahatelo maneran-tany amin’ny “Bodybuilding” ny Malagasy fa moa mba misy miraharaha? Moa mba misy Filoham-pirenena mandray amin’ny fomba makotrokotroka? Satria ireny taranja heverina fa tsy dia malaza toy ny kitra dia adino na hiniana tsy raharahiana. Tsy hoe: manamaivana ny vokatra azon’ny Barea, izay nohindrahindraina toy ny Andriamanitra kely, raha tafiakatra ¼-dàlana tamin’ny CAN 2019, fa mba mila misokatra amin’ny taranja hafa ny maso satria misy Malagasy mahazo vokatra tsara noho izany. Mila fiovam-penitra ho an’ny rehetra: mpitantana, mpitondra firenena, mpankafy, mpilalao,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT