Edito

Tongava saina amin’izay e !


  • Zoma 30 Novambra 2018

Ny lasa tsy fanadino, hoy ilay fomba fitenintsika Malagasy. Andeha hampifandraisina hatrany amin’ny tantaram-pirenena tato anatin’ny folo na sivy taona teo ho eo ny zava-misy ara-politika ankehitriny.

 

 

Mitamberina ao an-tsain’izay mahatadidy avy hatrany angamba ny gidragidra niseho teto tamin’izany fotoana. Gidragidra tsy nifankahitana, ra mandriaka, savorovoro, fandrobana, fandorana fananan’olona,… no tsaroan’ny vahoaka noho ny fifanolanana niainga tamina olona miisa roa dia i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Sivy taona aty aoriana isika izao, saingy mbola miverina amin’ireo ihany ny tantara satria samy tafiakatra hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Samy nanana ny nataony teto amin’ny firenena fa ny olom-pirenena tsirairay no mila miezaka mamerina ny fahatsiarovana ary mampitaha sy manabe an’ireo zandry zanaka taty aoriana mikasika ny tantara marina nisy tamin’izany. Ny tsy azo lavina dia nisy ny fakana fahefana tsy tamim-pomba ara-demokratika teto, ary nanasokajian’ny sehatra iraisam-pirenena ireo nandroba fahefana ho mpanongam-panjakana. Na inona na inona aloha fanazavana hoentina, dia tsy mbola nisy angamba na iray aza hevitra sy porofo mazava hahafaha-milaza fa rariny sy nety ny fanonganam-panjakana sy famotehana tamin’ny 2009. Na ny mpitarika izany tamin’ny 2009, dia i Andry Rajoelina aza azo heverina ho te hikosoka ny tantara matoa milaza fa ny ho avy no tokony hobanjinina. Samy manao izay fomba handresen-dahatra ny mpifidy ny an-daniny sy ny an-kilany saingy tsikaritra ihany indraindray fa mandeha ny fanabadoana ny mpiray tanindrazana amin’ny fizaran-javatra tsy mahavita taona. Amin’ny fomba ahoana moa no hinoana fa tena hiady amin’ny asan-dahalo ny kandida iray kanefa izy no nanafoana didy tsy fahafahana manondrana omby any ivelany io ? Mikofokofoka ery amin’ny seho ivelany, toy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ka mamory sokajin’olona samihafa hatramin’ny vahiny kanefa niaraha-nahita fa nirongatra anie ny dahalo, jiolahy taorian’ny 2009 e ! Mizarazara zavatra hambaboana ny rehetra, fa tsy nahalala akory ny Malagasy rehefa very fihinanana tao anatin’ny dimy taona. Tena aleo mba halefa lavitra ihany ny saina, fa tsy izay milaza hanao zavatra sy manao sehoseho ivelany akory dia hanao izay hahasoa ny firenena tokoa e ! Be ny fitaka ka aleo mailo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT